Salamo faha-33
Ny Salamo faha-33 na Salamo 33 dia salamo ao amin' ny Baiboly, ao amin' ny Bokin' ny Salamo. Tafiditra ao amin' ny fizaràna atao hoe "boky voalohany" (Sal. 1 - 41) ity salamo ity.
Dikan-teny malagasy
hanovaDikan-teny katôlika
hanova- Mifalia ao amin' ny Tompo hianareo, ry olo-marina; fa ny midera no fanao mendrika ny olo-mahitsy.
- Miderà an' ny Tompo amin' ny harpa, mihirà ho azy amin' ny valiha tory folo.
- Mihirà fihiram-baovao ho voninahiny; ampiaraho amim-pahaizana amin' ny zava-maneno ny feonareo.
- Fa mahitsy ny tenin' ny Tompo, ary tanteraka tsy misy tomika ny asany rehetra.
- Tia ny rariny sy ny hitsiny izy; henika ny hatsaram-pon' ny Tompo ny tany.
- Ny tenin' ny Tompo no nanaovana ny lanitra; ary ny fofon' ain' ny vavany no nanaovana ny tafiny rehetra.
- Manangona ny ranon' ny ranomasina izy toy ny zavatra iray miavosa, ny ranon' ny hantsana ataony ao amin' ny fanangonana azy.
- Aoka hatahotra an' ny Tompo ny tany rehetra! Aoka hangovitra eo anatrehany ny mponina rehetra amin' izao tontolo izao.
- Fa niteny ihany izy, dia hary izao rehetra izao, nandidy izy dia nisy ny zavatra rehetra.
- Manakorontana ny fisainan'ny firenena Iaveh, mahatsinontsinona ny hevitry ny vahoaka izy.
- Fa ny hevitry ny Tompo kosa maharitra mandrakizay; ny fisainan' ny fony mahatratra ny taranaka fara mandimby rehetra.
- Sambatra ny firenena manana an' ny Tompo ho Andriamaniny; sambatra ny vahoaka nofidiny ho lovany!
- Mijery Iaveh eny an-danitra; mahita ny zanak' olombelona rehetra izy;
- eny amin' ny fitoeran' ny fonenany dia tazaniny ny mponina rehetra amin' ny tany,
- dia izy mpamorona ny fon' izy rehetra, izy mpamantatra ny asan' izy rehetra.
- Tsy ny hamaroan' ny miaramilany no ahazoan' ny mpanjaka fandresena; tsy ny heriny lehibe no ahombiazan' ny mpiady;
- ny soavaly tsy vanon-kampahazo famonjena; ary ny havitrihany rehetra tsy ahazoana antoka amin' ny fahafahana.
- Ny mason' ny Tompo mitsinjo izay matahotra azy, dia ireo manantena ny hatsaram-pony,
- mba hanafaka ny fanahiny amin' ny fahafatesana, sy hamelona azy amin' ny andro mosarena.
- Miandry an' ny Tompo amim-pitokiana ny fanahintsika; famonjena antsika sy ampingantsika izy;
- fa izy no ataon' ny fontsika foto-pifaliana, fa ny anarany masina no ataontsika fototry ny fitokiantsika.
- Iaveh ô, ho aminay anie ny fahasoavanao, araka ny anantenanay anao!
Jereo koa
hanova- Boky voalohany: Sal. 1 - 2 - 3 - 4 - 5 - 6 - 7 - 8 - 9 - 10 - 11 - 12 - 13 - 14 - 15 - 16 - 17 - 18 - 19 - 20 - 21 - 22 - 23 - 24 - 25 - 26 - 27 - 28 - 29 - 30 - 31 - 32 - 33 - 34 - 35 - 36 - 37 - 38 - 39 - 40 - 41.
- Boky faharoa: Sal. 42 - 43 - 44 - 45 - 46 - 47 - 48 - 49 - 50 - 51 - 52 - 53 - 54 - 55 - 56 - 57 - 58 - 59 - 60 - 61 - 62 - 63 - 64 - 65 - 66 - 67 - 68 - 69 - 70 - 71 - 72.
- Boky fahatelo: Sal. 73 - 74 - 75 - 76 - 77 - 78 - 79 - 80 - 81 - 82 - 83 - 84 - 85 - 86 - 87 - 89.
- Boky fahefatra: Sal. 90 - 91 - 92 - 93 - 94 - 95 - 96 - 97 - 98 - 99 - 100 - 101 - 102 - 103 - 104 - 105 - 106.
- Boky fahadimy: Sal. 107 108 - 109 - 110 - 111 - 112 - 113 - 114 - 115 - 116 - 117 - 118 - 119 - 120 - 121 - 122 - 123 - 124 - 125 - 126 - 127 - 128 - 129 - 130 - 131 - 132 - 133 - 134 - 135 - 136 - 137 - 138 - 139 - 140 - 141 - 142 - 143 - 144 - 145 - 146 - 149 - 150.
- Salamo apôkrifa: Salamo faha-151 - Salamo faha-152 hatramin' ny faha-155.