Salamo faha-126
Ny Salamo faha-126 dia salamo ao amin' ny Bokin' ny Salamo ao amin' ny Baiboly. Tafiditra ao amin' ny fizaràna atao hoe "boky fahadimy" (Sal. 107 - 150) ity salamo ity.
Dikan-teny malagasy
hanovaDikan-teny prôtestanta
hanova1 [Fifalian' ny efa nampodin' i Jehovah, sy fifonana ho an' izay mbola babo]
Fihirana fiakarana. Fony Jehovah nampody an' i Ziona avy tamin' ny fahababoany, Dia tahaka izay nanonofy isika.
2 Fahizay dia feno hehy ny vavantsika Sy fihobiana ny lelantsika; Dia natao tany amin' ny Jentilisa hoe: Zava-dehibe no nataon' i Jehovah ho an' ireny.
3 Eny, zava-dehibe no nataon' i Jehovah ho antsika, Ka dia faly isika.
*
4 Tanteraho, Jehovah ô, ny ham-podiana anay avy amin' ny fahababoana, Tahaka ny fiverenan' ny riaka any amin' ny tany atsimo.
5 Izay mamafy am-pitomaniana Dia hijinja am-pifaliana.
6 Mandeha mitomany mitondra ny voa afafiny izy, Fa hiverina mitondra ny amboarany amin' ny fihobiana kosa.
Dikan-teny katôlika
hanova1 Fihirana fiakarana. Fony Iaveh nampody ny voababon' i Siona, dia toa nofy izany ho antsika.
2 Tamin' izany ny vavantsika nanao hobin-kafaliana, ny lelantsika nanao hira firavoravoana. Fahizany izao no am-bentin-teny amin' ny firenena: Nanao zava-dehibe ho azy ireo Iaveh.
3 Eny, nanao zava-dehibe ho antsika tokoa Iaveh; ka revon-kafaliana isika.
4 Iaveh ô, avereno ny anay voababo, toy ny ampandehananao ny ranon-driaka ao amin' ny negeba.
5 Izay mamafy amin-dranomaso, hijinja amin-kafaliana.
6 Mandeha izy, mandeha amim-pitomaniana, mitondra sy mamafy ny voa famafiny. Hiverina kosa izy manao hobin-kafaliana, mitondra ny amboara avy amin' ny fijinjany.
Jereo koa
hanova- Boky voalohany: Sal. 1 - 2 - 3 - 4 - 5 - 6 - 7 - 8 - 9 - 10 - 11 - 12 - 13 - 14 - 15 - 16 - 17 - 18 - 19 - 20 - 21 - 22 - 23 - 24 - 25 - 26 - 27 - 28 - 29 - 30 - 31 - 32 - 33 - 34 - 35 - 36 - 37 - 38 - 39 - 40 - 41.
- Boky faharoa: Sal. 42 - 43 - 44 - 45 - 46 - 47 - 48 - 49 - 50 - 51 - 52 - 53 - 54 - 55 - 56 - 57 - 58 - 59 - 60 - 61 - 62 - 63 - 64 - 65 - 66 - 67 - 68 - 69 - 70 - 71 - 72.
- Boky fahatelo: Sal. 73 - 74 - 75 - 76 - 77 - 78 - 79 - 80 - 81 - 82 - 83 - 84 - 85 - 86 - 87 - 89.
- Boky fahefatra: Sal. 90 - 91 - 92 - 93 - 94 - 95 - 96 - 97 - 98 - 99 - 100 - 101 - 102 - 103 - 104 - 105 - 106.
- Boky fahadimy: Sal. 107 108 - 109 - 110 - 111 - 112 - 113 - 114 - 115 - 116 - 117 - 118 - 119 - 120 - 121 - 122 - 123 - 124 - 125 - 126 - 127 - 128 - 129 - 130 - 131 - 132 - 133 - 134 - 135 - 136 - 137 - 138 - 139 - 140 - 141 - 142 - 143 - 144 - 145 - 146 - 149 - 150.
- Salamo apôkrifa: Salamo faha-151 - Salamo faha-152 hatramin' ny faha-155.