Ny Salamo faha-92 dia salamo ao amin' ny Bokin' ny Salamo ao amin' ny Baiboly. Tafiditra ao amin' ny fizaràna atao hoe "boky fahefetra" (Sal. 90 -106) ity salamo ity. Ny Salamo faha-91 no eo alohany ary ny faha-93 no manaraka azy.

Lahatsoratra hanova

Dikan-teny katôlika hanova

1Salamo. Fihirana fanao amin'ny andro sabata.

      2Tsara ny midera an'ny Tompo,

sy ny mankalaza ny anaranao, ry Avo Indrindra ô,

      3ny mitory ny hatsaram-ponao, nony maraina,

ary ny tsy fivadihanao, nony alina,

      4amin'ny valiha tory folo, sy amin'ny lokanga,

ary amin'ny fireondreon'ny harpa.

      5Mampifaly ahy amin'ny asanao hianao, ry Iaveh,

ary mientana aho manoloana ny asan-tànanao.

      6Akory ity halehiben'ny asanao, ry Iaveh,

akory izany halalin'izay fisainanao!

      7Ny olona kentrina tsy mahalala na inona na inona tamin'izany;

ary ny adala tsy mahita mangirana amin'izany.

      8Raha mirobona toy ny ahitra ny ratsy fanahy,

ka mandroso avokoa izay manao ratsy,

dia ny mba horinganina mandrakizay.

      9Fa hianao kosa, tafasandratra mandrakizay, ry Iaveh.

      10Fa indreo ny fahavalonao, ry Iaveh,

indreo levona ny fahavalonao,

mihahaka avokoa izay manao ratsy.

      11Ary ny tandroko asandratrao, toy ny an'ny ombimanga;

tondrahana diloilo vaovao aho.

      12Ny masoko faly mitazana ny fahavaloko;

ary ny sofiko mandre ny ratsy fanahy mitsangan-kamely ahy.

      13Ny marina hitombo tahaka ny rofia;

hisondrotra tahaka ny sedera any Libana izy.

      14nambolena ao an-tranon'ny Tompo izy,

dia hamony eo amin'ny kianjan'ny Andriamanitsika.

      15Mbola hamoa izy amin'ny fahanterany;

sady ho be ranony sy maitso mavana,

      16mba hanambara fa marina Iaveh:

izy no vatolampiko; ary tsy misy ao aminy ny tsy an-drariny.

Jereo koa hanova