Ny Salamo fahatelo na Salamo 3 dia salamo ao amin' ny Baiboly ao amin' ny Bokin'ny Salamo. Tafiditra ao amin' ny fizaràna atao hoe "boky voalohany" (Sal. 1 - 41) ity salamo ity. Ny Salamo faharoa no eo alohany ary ny fahefatra no manaraka azy.

Dikan-teny malagasy hanova

Dikan-teny prôtestanta hanova

  1. Salamo nataon'i Davida, fony izy nandositra an'i Absaloma zanany. Jehovah ô, akory izato hamaroan'ny mampahory ahy! Maro no mitsangana hanohitra ahy.
  2. Maro no milaza ny fanahiko hoe: tsy manam-pamonjena amin'Andriamanitra izy.
  3. Kanjo Hianao, Jehovah ô, no ampinga manodidina ahy, Voninahitro sy mpanandratra ny lohako.
  4. Amin'ny feoko no iantsoako an'i Jehovah, ary any an-tendrombohiny masina no mamaly ahy Izy.
  5. Izaho nandry ka natory; nifoha aho, satria Jehovah no manohana ahy.
  6. Tsy hatahotra olona alinalina aho, izay milahatra manodidina hamely ahy.
  7. Mitsangàna, Jehovah ô; vonjeo aho, Andriamanitro ô; fa efa namely ny takolaky ny fahavaloko rehetra Hianao; ny nifin'ny ratsy fanahy novakivakinao.
  8. An'i Jehovah ny famonjena; Ho amin'ny olonao anie ny fitahianao*.[Na: Ho amin'ny olonao ny fitahianao]

Dikan-teny katôlika hanova

  1. Tonon-kiran'i Davida; fony izy nandositra teo anatrehan'i Absaloma zanany.
  2. Ry Iaveh ô, akory izato hamaroan'ny fahavaloko! Endrey ity habetsahan'ireo mitsangan-kamely ahy!
  3. Maro ny milaza ny amiko manao hoe: Tsy misy famonjena ho azy intsony eo amin'Andriamanitra! - Selà.
  4. Kanefa, ry Iaveh, hianao no ampingako; hianao no voninahitro sy manandratra ny lohako.
  5. Miantso an'ny Tompo amin'ny feoko aho, dia mamaly ahy any an-tendrombohiny masina izy. - Selà.
  6. Nandry aho dia natory; nifoha indray aho, fa Iaveh no tohako.
  7. Tsy matahotra aho, eo anoloan'ny vahoaka tsy tambo isaina, izay mivangongo manodidina ahy hatraiza hatraiza.
  8. Mitsangana, ry Iaveh ô ! Vonjeo aho, ry Andriamanitro ! Fa hianao no mamely ny takolaky ny fahavaloko rehetra; hianao no manorotoro ny nifin'ny ratsy fanahy.
  9. An'ny Tompo ny famonjena! Ho amin'ny vahoakanao anie ny ny fanambinanao! - Selà.

Jereo koa hanova