Ny fitiavam-bavaka dia hatsaran-toetra izay mety ahitana fanoloran-tena ara-pivavahana na ara-panahy. Ny singa iray iraisan' ny ankamaroan' ny hevitra momba ny fitiavam-bavaka dia ny adidy fanajana. Amin' ny toe-javatra ara-pivavahana, ny fitiavam-bavaka dia azo aseho amin' ny alalan' ny asa na fanoloran-tena amin' ny fivavahana, izay mety tsy mitovy arakaraka ny firenena sy ny kolontsaina.

Pietas

Ny andian-teny hoe "fitiavam-bavaka" dia nandikana ny teny latina hoe "pietas". Avy amin' io teny io ny hoe pietisma izay ilazana ny fanaovana ho zava-dehibe ny fanoloran-tena amin' ny fivavahana. Ao amin' ny fiteny grika taloha dia teny roa no andikana io hoe pietas io, dia ny hoe eusebeia (avy amin' ny hoe eusebes: "feno fanajana", "mahatoky") izay midika hoe "fanajana", amin' ny maha fitiavana an' Andriamanitra izany, ary ny teny hoe hosiotes (avy amin' ny hoe hosios: "masina", "madio") izay midika hoe "fanajana", amn' ny maha fahamasinana na hatsaran-toetra na fanajana fitsipi-pifehezana izany.