Ny Salamo faha-15 na Salamo 15 dia salamo ao amin' ny Bokin' ny Salamo ao amin' ny Baiboly. Tafiditra ao amin' ny fizaràna atao hoe "boky voalohany" (Sal. 1 - 41) ity salamo ity.

Dikan-teny malagasy hanova

Dikan-teny prôtestanta hanova

  1. Salamo nataon' i Davida. Jehovah ô, iza no hitoetra ao amin' ny tabernakelinao? iza no honina ao an-tendrombohitrao masina?
  2. Izay mandeha tsy misy tsiny ary manao izay mahitsy, sady misaintsaina ny marina ny fony;
  3. Tsy manendrikendrika amin' ny lelany, sady tsy manisy ratsy ny sakaizany, ary tsy manao izay hahafa-baraka ny namany,
  4. Tsy manaja ny ratsy fanahy, fa manome voninahitra ny matahotra an' iJehovah; tsy mivadika amin' ny fianianany, na dia maningotra ny tenany aza,
  5. Sady tsy mampihana ny volany, na mandray kolikoly hanameloka ny marina, izay mitandrina izany dia tsy mba hangozohozo mandrakizay.

Dikan-teny katôlika hanova

  1. Iaveh ô, iza no honina ao an-dainao? Zovy no hitoetra ao an-tendrombohitrao masina?
  2. Izay mandeha amin' ny tsy fananan-tsiny, izay manaraka ny rariny, ka milaza ny marina ao am-pony.
  3. Tsy manendrikendrika amin' ny lelany izy, tsy manisy ratsy ny rahalahiny, tsy manala baraka ny namany.
  4. Ny voaheloka no mendrika halam-baraka eo imasony; fa ny matahotra an' ny Tompo kosa omeny voninahitra. Raha nanao fianianana mamono antoka azy izy, tsy ivadihany izany.
  5. Tsy mampihana vola manao zana-bola be loatra na mandray kolikoly hamely ny tsy manan-tsiny. Tsy hangozohozo mandrakizay izay mitondra tena arak' izany.

Jereo koa hanova