Salamo faha-11
Ny Salamo faha-11 na Salamo 11 dia salamo ao amin' ny Baiboly, ao amin' ny Bokin' ny Salamo. Tafiditra ao amin' ny fizaràna atao hoe "boky voalohany" (Sal. 1 - 41) ity salamo ity izay mizara ho andininy fito.
Dikan-teny malagasy
hanovaDikan-teny protestanta
hanova- Ho an'ny mpiventy hira. Nataon'i Davida. Jehovah no ialofako; ahoana no anaovanareo amin'ny fanahiko hoe: mandosira ho any an-tendrombohitrareo toy ny voron-kely?
- Fa, indro, ny ratsy fanahy manenjana ny tsipìkany; efa nanamboatra ny zana-tsipìkany eo amin'ny kofehy izy, nikendry tao amin'ny maizina hitifitra ny mahitsy fo.
- Fa rava ny fanorenana, ka inona indray no azon'ny marina atao?
- Jehovah dia ao amin'ny tempoliny masina, ny seza fiandrianan'i Jehovah dia any an-danitra; ny masony mijery, eny, ny hodi-masony mizaha toetra ny zanak'olombelona.
- Jehovah mizaha toetra ny marina; fa ny ratsy fanahy sy ny mifaly hampidi-doza dia samy halan'ny fanahiny.
- Handatsaka fandrika amin'ny ratsy fanahy Izy tahaka ny fandatsaka ranonorana; afo sy solifara ary rivo-mahamay no ho anjara kapoakany.
- Fa marina Jehovah, ka fahamarinana no tiany; ny mahitsy no hahita ny tavany.
Dikan-teny katôlika
hanova- Ho an'ny mpampianatra hira. Nataon'i Davida. Iaveh no itokiako; ka ahoana no ilazanareo amin'ny fanahiko hoe: Mandosira any an-tendrombohitrareo toy ny vorona?
- Fa indro ny ratsy fanahy manenjana ny tsipìkany; nametaka tamin'ny tady ny zana-tsipìkany; mba hitifirany ny olona mahitsy fo, ao amin'ny maizina.
- Raha rava ny fanorenana, inona indray no azon'ny marina atao?
- Iaveh izay ao amin'ny tempoliny masina, Iaveh izay manana ny seza fiandrianany any an-danitra, dia mana-maso mahiratra; ary ny hodi-masony mizaha ny zanak'olombelona hatr'ao anatiny.
- Mizaha ny marina hatr'ao anatiny Iaveh; fa mankahala ny ratsy fanahy sy ny mifaly manao an-keriny izy.
- Latsahany fandrika afo sy solifara hoatra ny ranonorana ny ratsy fanahy; rivo-mahery no ho anjara kapoakan'ireny.
- Fa marina Iaveh ka ny fahamarinana no tiany; ny mahitsy fo no hibanjina ny tavany.
Jereo koa
hanova- Boky voalohany: Sal. 1 - 2 - 3 - 4 - 5 - 6 - 7 - 8 - 9 - 10 - 11 - 12 - 13 - 14 - 15 - 16 - 17 - 18 - 19 - 20 - 21 - 22 - 23 - 24 - 25 - 26 - 27 - 28 - 29 - 30 - 31 - 32 - 33 - 34 - 35 - 36 - 37 - 38 - 39 - 40 - 41.
- Boky faharoa: Sal. 42 - 43 - 44 - 45 - 46 - 47 - 48 - 49 - 50 - 51 - 52 - 53 - 54 - 55 - 56 - 57 - 58 - 59 - 60 - 61 - 62 - 63 - 64 - 65 - 66 - 67 - 68 - 69 - 70 - 71 - 72.
- Boky fahatelo: Sal. 73 - 74 - 75 - 76 - 77 - 78 - 79 - 80 - 81 - 82 - 83 - 84 - 85 - 86 - 87 - 89.
- Boky fahefatra: Sal. 90 - 91 - 92 - 93 - 94 - 95 - 96 - 97 - 98 - 99 - 100 - 101 - 102 - 103 - 104 - 105 - 106.
- Boky fahadimy: Sal. 107 108 - 109 - 110 - 111 - 112 - 113 - 114 - 115 - 116 - 117 - 118 - 119 - 120 - 121 - 122 - 123 - 124 - 125 - 126 - 127 - 128 - 129 - 130 - 131 - 132 - 133 - 134 - 135 - 136 - 137 - 138 - 139 - 140 - 141 - 142 - 143 - 144 - 145 - 146 - 149 - 150.
- Salamo apôkrifa: Salamo faha-151 - Salamo faha-152 hatramin' ny faha-155.