Ny Salamo fahefatra na Salamo 4 dia salamo ao amin' ny Baiboly ao amin' ny Bokin' ny Salamo. Tafiditra ao amin' ny fizaràna atao hoe "boky voalohany" (Sal. 1 - 41) ity salamo ity. Ny Salamo fahatelo no eo alohany ary ny fahadimy no manaraka azy.

Dikan-teny malagasy hanova

Dikan-teny prôtestanta hanova

  1. Ho an'ny mpiventy hira. Hampiarahina amin'ny valiha. Salamo nataon'i Davida. Raha miantso aho, mamalia ahy, ry Andriamanitry ny fahamarinako ô; Raha tao an-katerena aho, dia nohalalahinao toerana; Mamindrà fo amiko, ka henoy ny fivavako.
  2. Ry lehibe, mandra-pahoviana no hataonareo ho henatra ny voninahitro, ary ho tia zava-poana sy hamoron-dainga ianareo?
  3. Kanefa aoka ho fantatrareo fa efa navahan'i Jehovah ho Azy ny tsara fanahy; Jehovah hihaino, raha miantso Azy aho.
  4. Tezera, fa aza manota; mieritrereta eo am-pandrianareo, ka mangina.
  5. Manatera fanati-pahamarinana,ary matokia an'i Jehovah.
  6. Maro no niteny hoe: iza no haneho soa antsika? Asandrato aminay ny fahazavan'ny tavanao, Jehovah ô.
  7. Efa nasianao fifaliana ny foko mihoatra noho ny tamin'ny taona nahabetsahan'ny variny sy ny ranom-boalobony.
  8. Handry amin'ny fiadanana aho, ka dia hatory miaraka amin'izay, satria Hianao, Jehovah ô, no mampitoetra ahy mitokana irery tsy manana ahiahy.

Dikan-teny katôlika hanova

  1. Ho an'ny mpampianatra hira amin'ny zava-maneno tendrena. Salamon'i Davida.
  2. Ry Andriamanitry ny fahamarinako ô, valio aho raha miantso anao, hianao izay mahalalaka ahy amin'izay mahaporitra ahy. Mamindrà fo amiko ary henoy ny fivavahako.
  3. Ry zanak'olombelona ô, mandra-pahoviana no ho voatsiratsira ny voninahitro? Mandra-pahoviana no hitiavanareo ny zava-poana, sy hitadiavanareo ny lainga? - Selà.
  4. Fantatro fa efa nofantenan'ny Tompo ho azy ny olon-tia vavaka iray; ka mihaino Iaveh raha miantso azy aho.
  5. Matahora ka aza manota intsony! Mitenena anakam-po ao am-pandrianareo, ka mitsahara! - Selà.
  6. Manatera sorom-pahamarinana, ary matokia an'ny Tompo.
  7. Maro no milaza hoe: Iza no hampahita antsika ny fahasambarana? Ataovy miposaka aminay ny fahazavan'ny tavanao, ry Iaveh!
  8. Fa hianao efa nanisy hafaliana tao am-poko mihoatra noho ny azy ireo, amin'ny fotoana mahabetsaka ny variny aman-divainy vaovao.
  9. Handry amim-piadanana aho, ka dia hatory miaraka amin'izay; fa hianao, ry Iaveh, dia hianao irery no mampitoetra ahy tsy amin'ahiahy.

Jereo koa hanova