Hanokatra ny renilisitra

Ny fiteny nizero-kongoley dia vondrom-pianakaviam-piteny afrikana maro mpiteny indrindra sady miparitaka amim-beleran-tany midadasika indrindra. Ny ankamaroan'ny fiteny afrikana dia ao amin'io fianakaviam-piteny io, izay ahitana fiteny miisa 1525, izany hoe 21%n'ny fiteny maneran-tany ka izy no mitana ny laharana voalohany raha ny isan'ny fiteny ao aminy no heverina. Olona miisa any amin'ny 459.000.000 any ho any no miteny amin'ny fiteny nizero-kongoley, izany hoe ny 7%n'ny mponina maneran-tany, ka ny antsasak'ireo fiteny ireo dia tenenin'ny olona miisa tsy latsaky ny 29.000 isaky ny fiteny avy. Miavaka ny fiteny nizero-kongoley amin'ny fisian'ny kilasin'anarana. Isan'ny fiteny nizero-kongoley, ohatra, ny fiteny ioroba sy ny fiteny igbo sy ny fiteny oôlôfo ary ny fiteny soahily.