Fiteny bambarà

(tonga teto avy amin'ny Fiteny bambara)

Ny fiteny bambarà dia iray amin' ny fitenim-pirenena ao Malỳ. Izy no fiteny nibeazan' ny ankamaroan' ny mponina ao amin' io firenena io (46 %) sy fiteny be mpiteny indrindra (82 %). Ao amin' ny fianakaviam-piteny mande ny fiteny bambarà, izay ao amin' ny vondrom-piteny mandinga izay ahitana koa (ankoatra ny fiteny bambarà) ny fiteny diola ao Kôtidivoara sy ao Borkina Fasô, ny fiteny mandinka ao Senegaly sy Gambia, ary ny fiteny maninka atsinanana ao Ginea. Ampiasaina ho fiteny ifaneraseran' ny mponina amin' ny faritra maro sy amin' ny raharaham-barotra ao Afrika Andrefana ny fiteny bambarà.

Jereo koa hanova

Fiteny be mpampiasa ao Afrika hanova

Ireto ireo fiteny be mpampiasa ao Afrika: ny fiteny afrikansa, agny, amharika, anglisy, arabo, bambara, baole, berbera, bete, diola, fanga, fola (na fiteny peola), frantsay, haosa, iôroba, kitoba, lingala, malagasy, môre, pôrtogey, soahily, sômaly, sôninke, soso, tigrinia, vôlôfo ary zolo.