Kilasin' anarana (fitsipiteny)

(tonga teto avy amin'ny Kilasin'anarana (fitsipiteny))

Ny kilasin' anarana dia sokajin'anarana manokana fehezin' ny fitsipiteny ao amin' ny fiteny iray sady manana ny marika ahafantarana azy manokana. Akoatra ny fanasokajiana ara-pitsipiteny ny anarana ho kandahy na kambavy, ho anaran' ny manana aina na tsy manana aina, dia misy koa fanasokajina ara-pitsipiteny izay mampiavaka ny fiteny maromaro. Ny anarana ao amin' ny fiteny misy kilasin' anarana dia mety ho sokajina araka ny sasany amin' ireto toetra tanisaina manaraka ireto:

  • manana aina vs tsy manana aina
  • misaina vs tsy misaina
  • lahy vs tsy lahy
  • olona vs tsy olona
  • mafy vs malemy
  • sns

Ahitana fampiasana kilasin' anarana, ohatra, ny vondrom-piteny algôkiana, ny vondrom-piteny atapaskana, ny vondrom-pitenin' ny tompon-tany aostraliana, ny vondrom-piteny kaokaziana, ny vondrom-piteny nizerô-kôngôley.

Jereo koaHanova