Bokin' ny Salamo

(tonga teto avy amin'ny Bokin'ny Salamo)

Ny Bokin' ny Salamo, na Salamo, dia boky ao amin' ny Baiboly, ao amin' ny Testamenta Taloha izay misy amboaran-kira sy tononkalo fiderana an' Andriamanitra miisa 150. Voasokajy ho bokim-pahendrena izy ao amin' ny Baiboly kristiana. Voasokajy ho isan' ireo atao amin' ny teny hebreo hoe Ketuvim ("Soratra") izy ao amin' ny Tanakh.

Ny mpaminany Davida, nataon'i Nikolaos Doxaras (1705-1775)
Ny horonambokin'ny Salamo

Fiforonan-tenyHanova

Ny teny hoe Bokin' ny Salamo na Salamo dia fanagasiana ny teny grika hoe Βίβλος Ψαλμών / Biblos Psalmôn ("Bokin-kira", "Bokin' antsa") na Ψαλμοί / Psalmoi ("hira, antsa" (milaza maro)). Izany dia nenti-mandika ny teny hebreo hoe ספר תְּהִלִּים / Sefer Tehillim ("Bokim-piderana" na "Bokin-kira fiderana") izay tsorina fotsiny amin' ny hoe תְּהִלִּים / Tehillim ("Fiderana" na "Hira fiderana").

LohahevitraHanova

Tsy hira fiderana ranofotsiny no hita ao amin' ny Bokin' ny Salamo fa misy ihany koa ny hira miompana amin' ny lohahevitra hafa. Ireto misy ohatra amin' ireo lohahevitra hita ao:

  • salamo fiderana an' Andriamanitra (ohatra: faha-105),
  • salamo fitarainana amin' Andriamanitra (ohatra: faha-13),
  • salamo fanehoana ny finoana ny herin' Andriamanitra (ohatra: faha-47),
  • salamo fiderana atao ho an' ny mpanjaka (ohatra: faha-72),
  • salamo anehoana ny fitiavana an' i Jerosalema (ohatra: faha-122)
  • salamo fankalazana andro firavoravoana (ohatra: faha-126)
  • ary salamom-pahendrena sy fampianarana (ohatra: salamo voalohany).

Rehefa hiresaka momba ny toko sy ny andininy ao amin'ny Salamo dia tsy fiteny, ohatra, ny hoe "Salamo toko faha-10" fa ny hoe "Salamo faha-10" no fiteny. Ny tsirairay amin' izay tokony ho natao hoe "toko" no atao hoe "salamo".

Fizaràna ho boky dimyHanova

Mizara ho "boky" dimy ny Bokin' ny Salamo:

Salamo apôkrifa sy deoterôkanônikaHanova

Ireto ireo Salamo apôkrifa, na deoterôkanônika tsy hita na ao amin' ny Baiboly prôtestanta na ao amin' ny Baiboly katôlika fa hita kosa ao amin' ny Baiboly ôrtôdôksa sasany:

Jereo koaHanova

Salamo sasantsasany