Bokin' ny Fitomaniana

Ny Bokin' ny Fitomaniana dia boky hita ao amin' ny Tanakh (Baiboly hebreo) sy ny Testamenta Taloha ao amin' ny Baiboly kristiana. Tonon-kiram-pisaonana lava narafitra amin' ny fomba kanto no ao anatiny, izay mamisavisa ny fahoriana lehibe vokatry ny fahirano, ny fandravana an' i Jerosalema sy ny Tempoly. Mafonja ny tonon' ireo fitomaniana ireo izay maneho ny fahoriana lalina vokatry ny fahantrana sy ny mosary sy ny fandripahana ary ny loza hafa koa. Ireo rehetra ireo dia fisehon' ny famaizan' Andriamanitra noho ny fahotan' ny vahoaka sy ny mpaminany ary ny mpisorona. Na dia izany aza dia mifarana amin' ny tonon-kiram-panantenana ny Bokin' ny Fitomaniana.

Mitomany ny faharavan' i Jerosalema i Jeremia, sary nataon' i Rembrandt, 1630.

Navondrona ireo tonon-kira ireo, angamba mba hatao ho fahatsiarovana sady harahina fifadian-kanina. Nampiditra ny Fitomaniana ao amin' ny litorjian' ny Herinandro masina ny fiangonana kristiana sasany.

Ny anaran' ny boky

hanova

Indraindray atao hoe Fitomanian' i Jeremia ny Bokin' ny Fitomaniana. Miantso azy amin' ny teny hebreo hoe איכה / ’Êkhâ na ‘Êykhôh ("Ahoana!") ny Jiosy, teny voalohan' ny lahatsoratra hebreo atao hoe קינות / Kinoth ("hira fisaonana"). Θρῆνοι / Thrênoi ("Hiram-pitarainana") no anaran' ilay boky ao amin' ny Septoajinta (na Septanta) izay voasoratra amin' ny teny grika, fa Lamentationes kosa ("Fitomaniana") ao amin’ ny Volgata izay voasoratra amin' ny teny latina.

Ny fanoratana ny boky

hanova

Ny mpanoratra

hanova

Araka ny lovantsofina dia nosoratan' i Jeremia ny Bokin' ny Fitomaniana, nefa ny mpikaroka ankehitriny dia tsy mahita izay hanaporofoana izany ka mihevitra fa olona roa tsy fantatra anarana no nanoratra ireo fitomaniana ireo. Ny Fitomaniana voalohany hatramin' ny faha-4 dia toa nataon' olona iray ihany.

Nosoratana tamin’ ny fotoana nanaovana dikan-teny grika voalohany ny Baiboly hebreo ny andian-tsoratra hoe Fitomanian' i Jeremia, izany hoe tamin' ny taona 250 tal. J.K., izay nanampy teny mialoha nanondro an’ i Jeremia ho nanoratra ireo Fitomaniana ireo. Izany dia vokatry ny fahadisoan-kevitra tamin' ny fahazoana ny hevitry ny andala-teny ao amin’ ny Boky faharoan' ny Tantara (2Tant. 35.25) izay manao hoe:

"Ary Jeremia dia nanao hira fisaonana an' i Josia, ary ny mpihiralahy sy ny mpihiravavy rehetra dia mahatsiahy an' i Josia mandraka androany, raha manao hira fisaonana, ka nataony fanao teo amin' ny Israely izany; ary, indro, efa voasoratra ao amin' ny fihirana fisaonana izany." (2Tant. 35.25 – Ny Baiboly).

Tsy miresaka velively an' i Josia mpanjakan' i Jodà anefa ireo fitomaniana ireo.

Fotoana nanoratana

hanova

Ny mpikaroka momba ny Baiboly dia samy miaiky fa vita soratra amin' ny endrika ananana azy ankehitriny ny Bokin' ny Fitomaniana tamin' ny vanim-potoan' ny Fahababoana tany Babilôna (586-538 tal. J.K.). Nosoratana tamin' ny fotoana nanjakan' ny horohoro sy ny fanahiana ny Fitomaniana, na izany aza dia efa vita taloha ela ny fitomaniana sasany.

Firafitry ny boky

hanova

Fizaràn' ny boky

hanova

Azo zaraina dimy ny Bokin' ny Fitomaniana ka ny fizaràna tsirairay dia Fitomaniana iray.

Maneho ny fahorian' i Ziôna (na Siôna) taoriana' ny faharavan' i Jodà sy ny fandravan' ny Babilôniana ny Tempoly ireo Fitomaniana ireo, izay maneho ny famaizana ataon' Andriamanitra amin' ny vahoakany be fahotana. Angamba nosoratana izy ireo mba ho vakina ampahibemaso eo amin' ny fiangonana amin' ny andro fisaonana izay atao isan-taona ho fahatsiarovana izany fahavoazam-be izany. Na dia izany aza, ny Fitomaniana rehetra dia mampahatsiahy ny famindram-pon' Andriamanitra sy manambara ny fanantenana ny hampanginan' Andriamanitra ny fahatezerany sy ny hampijoroany indray ny vahoakan' i Israely.

I Jerosalema: andriambavy nilaozan' olona

hanova

Manoritsoritra an' i Jerosalema sahala amin' ny andriambavy nilaozan' ny olona, sady nofaizina noho ny fihoa-pampan' ny fahotany ny Fitomaniana voalohany.

Tezitra Andriamanitra

hanova

Tononkalo miresaka ny amin' ny vokatry ny mosary ny Fitomaniana faha-2: torana ny ankizy, mihinan-janaka ny reny, faty no mameno ny lalana ao an-tanàna.

Mampionona ny olony Andriamanitra

hanova

Manambara ny fanantenan' i Ziôna na Siôna ny indrafon' Andriamanitra ny Fitomaniana faha-3.

Fanantenana famonjena avy amin' Andriamanitra

hanova

Ny Fitomaniana faha-4 dia malahelo ny lazan' ny Tempolin' i Jerosalema tany aloha izay rava ankehitriny. Fitarainana atao ampahibemaso mitovy sokajy amin' ny hira fisaonana izany.

Mitarainana amin' Andriamanitra ny olony

hanova

Manomboka amin' ny fitarainana amin' Andriamanitra mba hahatsiaro ny vahoakany ny Fitomaniana fahadimy farany. Fitomaniana itambaran' ny besinimaro izy io.

Endrika kanton' ny Fitomaniana

hanova

Fanangonana amboaran-tononkira dimy mitovy ngadona amin' ny atao hoe kinah ("hiram-pisaonana") ny Bokin' ny Fitomaniana. Atao hoe "fitomaniana" (sahala amin' ny "salamo" ao amin' ny Bokin' ny Salamo) ny toko iray. Samy manana andininy izay manomboka amin' ny litera ao amin' ny abidy hebreo ny Fitomaniana efatra voalohany. Tsy misy heviny manokana ny famakiana ny fitambaran' ny litera voalohany amin' ny andininy rehetra.

Fitomaniana voalohany sy faha-2 ary faha-4

hanova

Nosoratana tamin' ny fakana môdelin' ny hiram-paty ny Fitomaniana voalohany sy faharoa ary fahefatra, izay samy misy andininy 22 milahatra araka ny abidy hebreo.

Fitomaniana faha-3

hanova

Ny Fitomaniana fahatelo dia miavaka satria ahitana andininy 66, ka andininy telo isaky ny litera tsirairay ao amin' ny abidy hebreo. Ny Fanjakan' i Jodà, izay nampitenenina tahaka ny olona, ilay olon-tokana mitomany. Ny Fitomaniana faha-3, izay manaraka abidy, nefa nalahatra ho vondron' andininy telo (ka ny tsirairay amin' ireo dia manomboka amin' ny litera mitovy), dia manana toetra miavaka sady mampahatsiahy ilay atao hoe "Fieken-pinoan' i Jeremia".

Fitomaniana faha-5

hanova

Ny Fitomaniana faha-5 dia tsy manaraka abidy, na dia ahitana andininy mitovy isa amin' ny litera herbreo (miisa 22).

Jereo koa

hanova