Kôikôy (vahoaka)

(tonga teto avy amin'ny Hôihôy (vahoaka))

Ny Kôikôy na Hôihôy (Khoikhoi), izay antsoina hoe Hôtentôta (Hottentot) koa, dia vahoaka mpiompy andiam-biby any amin' ny faritra atsimo amin' i Afrika. Antsoina hoe Kôy na Hôy koa izy ireo. Miantso ny tenany toy izany izy ireo (ara-bakiteny hoe "olona dia olona"), hanavahany ny tenany amin' ny Sana mpihaza mpifanolo-bodirindrina aminy, izay nantsoiny hoe Sankôy (Sankhoi).

Lehikahy hôihôy

Angamba noho ny kitika (famoahana feo mipoaka amin' ny lela) mampiavaka ny fiteny kôisana no nanomezan' ny Afrikanera, izay niteny nerlandey, ny anaram-bositra hoe "Hottentots", noho ny fomba fiteniny izay heverina ho miakanakana.

Ny vehivavy kôikôy fanta-daza indrindra dia i Saartjie Baartman, izay nomena anaram-bositra hoe "Venosy Hôtentôta" ary natao fampisehoana ho an' ireo te hahafanta-javatra.