Sana (vahoaka)

(tonga teto avy amin'ny Sàna (vahoaka))

Ny Sana dia vahoaka anisan' ireo manana kolontsaina nentim-paharazana mpihaza sy mpioty any amin' ny faritra atsimo amin' i Afrika, ary izy ireo no vahoaka mbola mitazona ny kolontsaina tranainy indrindra ao amin' io faritra io.

Ankizy sana ao Namibia

Efa 44 000 taona izao no nisan' ny Sana tao amin' ny faritra misy azy. Ny tanin' ny razambeny dia mamakivaky firenena maro: i Bôtsoana, i Namibia, i Angôla, i Zambia, i Zimbaboe, i Lesôtô ary i Afrika Atsimo.

Ny maha "vahoaka" iray azy dia noho izy ireo manana fomba fiainana mifanohitra amin' ny an' ny mpiompy andiam-biby toa ny Kôikôy sy ny taranaky ny mpifindra-monina vao haingana toa ny Banto sy ny Eorôpeana ary ny Aziatika.

Sahala amin' ny mpiompy andiam-biby Kôikôy (na Hôihôy) dia mampiasa ny fiteny ao amin' ny vondrona kôisana izy ireo, vondrom-piteny tsy misy fifankahazoan' ny mpiteny azy ary miavaka amin' ny fiteny ao amin' ny fianakaviana nizer-kôngôley izay ampiasain' ny maro anisa aty Afrika atsimon' i Sahara. Miteny amin' ny fiteny ao amin' ny fianakaviam-piteny kôy (na hôy) sy too ary johoana izy ireo na ny razambeny.

Nenjehin' ny Banto sy ny Boora avy eo nailikiliky ny mpanjanatany britanika izy ireo. Any amin' ny taniefitr' i Kalahari no tena onenan' izy ireo. Ny fihazana sy fiotazana izay asa fivelomana nentim-paharazana no sahanin' izy ireo.

Tamin' ny taona 2017, i Bôtsoana dia nonenan' ny Sana miisa 63 500 eo ho eo, ka izy no firenena ahitana ny ampahany be indrindra amin' ny vahoaka sana izay mahatratra 2,8 % amin' ny mponina. Ankehitriny dia tsy misy afa-tsy 100 000 eo ho eo ny isany.

Jereo koa hanova