Ny ala honko dia rafitra tontolo iainana an-konahonan-dranomasina, ahitana vondron-javamaniry manokana, indrindra fa ny hazo, tsy mivoatra afa-tsy eny amin' ny faritra tondrahan' ny famonta, any amin' ny morontsiraka iva amin' ny faritra mafana eto amin' izao tontolo izao. Misy heniheny misy ala honko koa eny am-bavan' ny renirano sy ony sasany, ary indraindray any amin' ny ranomamy. Izy io dia anisan' ny biôma an-tanety efatra ambin' ny folo nofaritan' ny World Wide Fund for Nature (WWF).

Ala honko

Manome tombontsoa ho an' ny mponina amin' ny lafiny ara-tsakafo, sy miaro ny morontsiraka amin' ny famelezan' ny onja, ary mitahiry karbôna ny ala honko. Mandray anjara amin' ny fampihenana ny fiantraikan' ny loza voajanahary mifandray amin' ny fiovan' ny toetany ity karazana ala ity.

Manome akora manan-danja (avy amin' ny ala sy ny jono) ho an' ny mponina amin' ny morontsiraka misy azy ity tontolo iainana miavaka ity. Anisan' ny rafitra tontolo iainana mamokatra biômasy be indrindra eto an-tany ny ala honko. Ny honko, izay manana taovam-pifandraisany amin' ny rivotra sy ny fakany mitsotsorika sy lava toa tongotra, no karazana hazo misongadina indrindra.

Mampanahy ny fahapotehan' ny ala honko sasany eto amin' izao tontolo izao satria izy ireo no mahomby amin' ny fiantohana ny fahamarinan-toeran' ny faritra amorontsiraka marefo sasany izay tandindomin-doza, ary satria izy ireo koa dia manampy amin' ny fahafahan' ny tontolo iainana hiaritra aorian' ny rivodoza trôpikaly sy ny tsonamy ary hiatrika ny fiakaran' ny ranomasina. vokatry ny fiovan' ny toetany. Tontolo iainana mavitrika ny ala honko, ary ny sasany dia afaka mampifanaraka ny fombany amin' ny fivoarana haingan' ny fiangonan-dilatra amorontsiraka.

Nihena akaikin' ny 25 % ny ala honko, araka ny tatitra siantifika sy ny pôlitika iraisan-governemanta tamin' ny taona 2019 momba ny fahasamihafan' ny zavamananaina sy ny serivisy amen' ny rafitra tontolo iainana.

Jereo koa

hanova