Andilan-dranomasina

Ny andilan-dranomasina, izay mety hantsoina hoe lakandrano ihany koa, dia sampan-dranomasina lavalava somary teritery eo anelanelan' ny morontsiraka roa izay manamorona azy, ka mampifandray velaran-ranomasina roa. Ny andilan-tany no mifanohitra aminy.

Ny andilan-dranomasin' i Gibraltar

Mety mampitohy kôntinenta ny andilan-dranomasina iray (tahaka ny andilan-dranomasin' i Gibraltar sy ny andilan-dranomasin' i Bering), na farihy roa (toa ny andilan-dranomasin' i Mackinac), na nosy roa (andilan-dranomasin' i Bonifacio, ny andilan-dranomasin' i Singaporo), nosy iray sy kôntinenta iray (andilan-dranomasin' i Magellan, andilan-dranomasin' i Courreaux de Groix). Ny Lakandranon' i Môzambika dia andilan-dranomasina koa.

Jereo koa

hanova

Ranomasira

Ranovory

Ranomandeha