Azia Atsimo-Atsinanana

(tonga teto avy amin'ny Azia Atsimo Atsinanana)

I Azia Atsimo-Atsinanana dia ny faritr' i Azia any atsinanan' i India ary any atsimon' i Sina. Ireo firenena izay lazaina fa ao Azia Atsimo-Atsinanana dia i Myanmara, Tailandy, Malaizia, Indônezia, Filipina, Vietnamy, Laôsa, Broney Darosalama ary Kambôdia. Ao amin' i Azia Atsimo-Atsinanana ihany koa i Singapaoro, na dia tsindraindray izy voasokajy ho firenena aziatika tatsinanana, noho ny kolontsainy izay anjakan' ny kolontsaina sinoa.

Ny toerana misy an'i Azia Atsimo-Andrefana (miloko maitso)

Jeôgrafia hanova

Ny velarantany manontolon' i Azia Atsimo-Atsinanana dia eo amin' ny 4 000 000 km2. Ny isan' ny mponiny dia 593 000 000. Iray ampahaenin' ny mponina ao Azia Atsimo-Atsinanana no miaina ao amin' ny nosy Java, any Indônezia, izay nosy manana hakitroky ny mponina avo indrindra eto an-tany.

Sinoa telopolo tapitrisa ihany koa no miaina ao Azia Atsimo-Atsinanana, indrindraindrindra any Indônezia, any Malaizia, any Singaporo ary any Vietnamy.

Jereo koa hanova

Ireo faritra ara-dafintany ao Azia hanova

Fizaràm-paritra hafa ao Azia hanova

 
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.