Fiteny ao Iràna
Ny fiteny ao Iràna dia ahitana fiteny ao amin' ny fianakaviam-piteny maro ka ny maro mpiteny indrindra dia ireo ao amin' ny fiteny indô-eorôpeana sy ny fiteny torkika. Misy vondrom-poko maherin' ny 80 ny any Iràna, izay samy manana ny fiteniny sy ny fomba fiainany ny ao amin' io firenena io, ka ny maro an' isa amin' izany dia ireo mpiteny indô-eorôpeana (ny ankamaroan' ny Iraniana dia miteny fiteny iraniana toy ny fiteny persiana, ny fiteny kiorda na ny fiteny balotsy) sy ny mpiteny amin' ny fiteny torkika (fiteny azery). Samy mahafantatra ny fiteny persiana, fiteny ôfisialin' i Iràna izy rehetra. Ny vondrom-poko lehibe indrindra dia:
- ireo mpiteny iraniana: ny Persàna (61 %), ny Kiorda (10 %), ny Balotsy (2 %), ny Lora (6 %), ny Talisy, ny Gilaky, ny Mazandarany sns;
- ireo mpiteny torkika: ny Azery (13-15 %), ny Torkmena (2 %), ny Kaskay sns;
- ireo mpiteny amin' ny fiteny hafa: ny Arabo (2%), ny Armeniana, ny Jiosy miteny hebreo mizrahy (0,014%3), ny Asiriana, ny Jeôrjiana, ny Tsirkasiana, ny Taty ary ny hafa (1%).
Ny fiteny arabo sy ny fiteny anglisy no fiteny vahiny roa tsy maintsy ampianarina any amin' ny sekoly ambaratonga faharoa. Tombanana ho 3 tapitrisa ny isan' ny mpiteny anglisy ao Iràna. Mianatra fiteny rosiana, alemàna ary sinoa ny Iraniana sasany. Ianarana ihany koa ny fiteny hindy-ordo nanomboka tamin' ny taona 2015, satria mifadray ara-barotra betsaka amin' i India sy Pakistàna i Iràna.
Fahita teo amin' ny olo-manankaja tao amin' ilay firenena sy ny saranga ambony ny fiteny frantsay izay nihen-danja nanomboka tamin' ny taona 1960, ary indrindra hatramin' ny revôlisiôna islamika tamin' ny taona 1979.
Ny fianakaviam-piteny ao Iràna
hanovaIreto ireo fianakaviam-piteny misy ny fiteny tenenina ao Iràna:
- ny fiteny indô-eorôpeana (indrindra ny fiteny iraniana sy sampana kely kokoa izay asehon' ny fiteny armeniana, ankoatry ny hafa);
- ny fiteny torkika (indrindra ny fiteny azerbaijany, ahitana ny fiteny torkmena, ny fiteny kaskay, ary ny fiteny afsara vitsy mpiteny kokoa);
- ny fiteny semitika (indrindra ny fiteny arabo, ary koa ny fiteny arameana vaovao, ny fiteny hebreo, ary ny fiteny mandeana);
- ny fiteny kaokaziana (toy ny fiteny kartveliana sy ny fiteny tsirkasiana).
Fanisana
hanovaIreto manaraka ireto ny fiteny manana mpiteny betsaka indrindra (angona avy amin' ny CIA World Factbook):
- fiteny persana 53 %
- fiteny azerbaijany sy tenim-paritra torka hafa 18 %
- fiteny kiorda 10 %
- fiteny gilaky sy mazandarany 7 %
- fiteny lory 6 %
- fiteny arabo 2 %
- fiteny balotsy 2 %
- ny fiteny hafa dia misy 1 %, izay ahitana ny fiteny taty, ny fiteny talisy, ny fiteny jeôrjiana, ny fiteny armeniana, ny fiteny tsirkasiana, ny fiteny asiriana, sns.