Lôry (vahoaka)

(tonga teto avy amin'ny Lora (vahoaka))

Ny Lôry na Lôra na Lory na Lora dia vahoaka iraniana mifandray akaiky dia akaiky amin' ny Persana, monina ao amin' ny faritra andrafana be tendrombohitra any Iràna. Hita betsaka ao amin' ny tapany avaratra amin' ny faritanin' i Khuzistan izy ireo, fa ao amin' ny faritanin i Ilam kosa dia ny faritra atsimo no onenan' izy ireo.

Talohan' ny taonjato faha-20, ny ankamaroan' ny Lôry dia mpiompy mifindrafindra toerana, fa tandrenivohitra vitsy an' isa kosa izy ireo ao amin' ny tanànan' i Khorramabad. Maro ny ezaka nataon' ny Pahlavy (tarana-mpanjaka) nanerena ny Lôry hanjary vahoaka miorim-ponenana. Tamin' ny andron' i Reza Shah, izany ezaka izany dia tsy nahitam-pahombiazana.

Ny mpanjaka (Shah) tao Iràna atao hoe Mohammad Reza, izay nampiasa fomba malefaka kokoa sy famporisihana ara-toekarena no nahitana fahombiazana kokoa, nefa tsy ny Lôry rehetra no nananiky an' izany. Teo antenatenan' ny taompolo 1980 dia nonina an-tanan-dehibe ny ankamaroan' ny Lôry sy tanàna madinika ao amin' ilay faritany, na nifindra monina any afovoan' ireo tanàna lehibe.

Jereo koa hanova