Ny fanandroana dia fandalinana sy fampiharana ara-pinoana ny fifandraisan' ny zava-mitranga eto an-tany amin' ny toerana misy ireo zava-mitsingevana eny amin' ny lanitra toy ny Masoandro sy ny Volana ary ny kintana sy zavatra hafa koa. Ny mpanandro dia milaza fa ny toerana misy ireo zavatra ireo amin' ny fotoana ahaterahan' ny olona iray sy ny fifindran-toeran' ireo zavatra ireo dia ahafaha-mamantatra ny toetr' io olona io sady ahafaha-mamantatra mialoha ny hoaviny.

Ny nipoiran' ny fanandroana sy ny fivoarany hanova

Ny fanandroana dia fanao efa nisy elabe hatramin' ny fahagola izay nivoatra tao amin' ny kolontsain' ny firenena maro samihafa tsy mifampiankina. Ny Kaldeana tao Babilôna dia efa nampiasa fanandroana tany amin' ny 3 000 taona tal. J.K. fa ny Sinoa kosa tany amin' ny 2 000 tal. J.K. Tany amin' ny taona 500 tal. J.K. dia niely tany Grisia (na Gresy) ny fanandroana. Miresaka ny amin' izany ny filôzôfa toa an-dry Pitagôra. Be mpanao tao Eorôpa ny fanandroana nandritra ny Andro Antenatenany, na dia nenjehin' ny Fiangonana kristiana aza izany.

Zavatra ampiasaina amin' ny fanandroana hanova

Ny Volana sy ny Masoandro ary ny planeta hanova

 

Akoatry ny Volana sy ny Masoandro dia ampiasain' ny mpanandro koa ny kintana sy ny planeta. Ireto avy ny anaran' ireo planeta fampiasa amin' ny fanandroana tranainy indrindra satria mora hitan' ny maso: i Venosy, i Merkora, i Marsa, i Jopitera ary i Satorna. Nanampy azy ireo ny planeta hafa hitan' ny mpahay kintana taty aoriana toa an' i Oranosy (hita tamin' ny taona 1781), i Neptona (taona 1846) ary i Ploto (taona 1930).

Ampiasaina koa ny endriky ny fifandraisan' ny Masoandro amin' ny Volana na/sy ny planeta na/sy ny kintana, izany hoe ny zoro foronin' izy ireo (mifanindry: 0°, mifanohitra: 180°, mahitsizoro: 90°, sns.); torak' izany koa ny fifandraisan' ny Volana amin' ny zavatra hafa (kintana, planeta) na ny samy planeta na ny samy kintana.

Ny kintana sy ny antokon-kintana hanova

 

Ny antokon-kintana "andalovan'ny Masoandro" miisa telo ambin'ny folo na, raha ny tena marina, ny anaran'izy ireo, dia ampiasaina indrindra amin'ny fanandroana. Ireto ny anaran'ireo antokon-kintana ireo amin'ny teny latina ao amin'ny fanandroana tandrefana: Aries ("ondrilahy"), Taurus ("ombilahy"), Gemini ("kambana"), Cancer ("foza"), Leo ("liona"), Virgo ("virijina"), Libra ("mizana"), Scorpius ("maingoka"), Ophiuchus (na Serpentarius "mpitondra bibilava"), Sagittarius ("mpitondra tsipika"), Capricornus ("osy-trondro"), Aquarius ("mpitondra rano") ary Pisces ("trondro").

Zavatra hafa hanova

 

Ny fanandroana dia mifandray amin-javatra hafa mety ho tsapan'ny olona toy ny loko, ny karazan-javamanana aina, ny sokajin'olona, ny toerana eo an-tanàna na ao an-trano na ivelan'ny tanàna mifanandrify amin'ny vazan-tany mbamin'ny elanelany (avaratra, atsimo, atsinanana, andrefana sns.), ny andro tsirairay ao amin'ny herinandro (Alatsinainy, Talata, Alarobia sns.), ny fizarazaràna ny andro sy ny alina, ny akora isan-karazany (rano, rivotra, afo, vy, tany sns.) sns.

Ny mpanandro isam-paritra na isam-pirenena eto amin'izao tontolo izao dia tsy voatery hampiasa ireo zavatra rehetra ireo fa mety ny ampahany aminy fotsiny. Mety hifandray amin'ny fisikidiana koa ny fanandroana.

Ny fampiasana ny fanandroana hanova

Ny orim-bintana hanova

Misy roa ambin'ny folo ny orim-bintana izay mitondra ny anaran'ny antokon-kintan'ny zodiaka, afa-tsy ny Ophiuchus na Serpentarius ("mpitondra bibilava"), dia ireto avy: Aries ("ondrilahy"), Taurus ("ombilahy"), Gemini ("kambana"), Cancer ("foza"), Leo ("liona"), Virgo ("virijina"), Libra ("mizana"), Scorpio ("maingoka"), Sagittarius ("mpitondra tsipika"), Capricorn ("osy-trondro"), Aquarius ("mpitondra rano") ary Pisces ("trondro").

Ireto ny orim-bintana amin'ny teny malagasy mifandray amin'ireo: Alahamady (Aries), Adaoro (Taurus), Adizaoza (Gemini), Asorotany (Cancer), Alahasady (Leo), Asombola (Virgo), Adimizana (Libra), Alakarabo (Scorpio), Alakaosy (Sagittarius), Adijady (Capricorn), Adalo (Aquarius) ary Alohotsy (Pisces).

Ny planeta tsirairay (isan'izany ny Volana sy ny Masoandro, izay heverin'ny mpanandro taloha ho isan'ny planeta) dia mifanandrify amin’ny eva manokana arakaraka ny toerana misy azy eo amin'ny ekliptika.

Samy manana ny anarany ireo vintana ireo arakaraka ny fiteny ampiasaina na ny fiteny nahazoan’ny mpanandro sy ny fiavian’ilay fananadroana. Marihina fa tsy voatery hitovy ny fotoana todroin'ny anaran'orim-bintana mitovy hevitra.

Ny torovintana hanova

Ny mpanandro dia namorona kisary atao hoe torovintana (horoskopa) izay mampifandray ny evan'ny zodiaka mifanandrify amin'ny fotoam-pahaterahana amin'ny toetran'ny olona nateraka na hateraka amin'io fotoana io sy ny zavatra mety hitranga mahakasika azy. Ny torovintana misy antsipiriany dia asehon'ny faribolana atao hoe ekliptika izay maneho ny lalana alehan'ny Tany rehefa mihodina amin'ny Masoandro mandritra ny iray taona.

Ny torovintana misy antsipiriany dia ahitana fizarana roa ambin'ny folo atao hoe "trano", izay maneho ny fe-potoana 24 ora mitovy amin'ny tsingerim-pihodinan'ny Tany amin'ny tenany. Mifandray amin'ny sehatra sasany momba ny fiainan'ny olona voatondro (fanambadiana, fahasalamana, asa, sns.) ny "trano" tsirairay. Ny mpanandro dia mandrafitra ny famantarany ny hoavy arakaraka ny toerana misy ireo zavatra eny amin'ny lanitra ao amin'ireo eva sy trano ao amin'ny torovintana ireo.

Ao amin'ny gezety sy gazetiboky sasany dia ahitana torovintana izay tsy tena vokatry ny asan'ny mpanandro matihanina fa natao hahasarika ny mpamaky fotsiny liana amin'izany, na mora mino fa afaka hatsarain'izany ny fahasalamany sy ny fiharian-kareny sns. ka atao mba hahalafo an'ilay gezety na gazetiboky fotsiny.

Jereo koa: hanova