Ny tetiandro na kalandrie na alimanaka dia fitaovana anisana ny andro sy ny volana ary ny taona sady amantarana ny toerana misy azy ireo sy ny laharany ao amin' ny fizotran' ny fotoana ho an'ny fiainana andavanandro. Voazara ho andro sy ho herinandro sy ho volana ary taona ny fotoana, araka ny fihodin' ny Tany amin' ny Masoandro na ny an' ny Volana amin' ny Tany. Ny tetiandro dia fitaovana noforonin' ny olombelona mba handaminana ny fizaràm-potoana anatina fotoana lava. Ny tetiandro be mpampiasa amin' izao fotoana izao dia ny tetiandro gregôriana.

Ny tsingerim-pihodinan' ny Tany amin' ny tenany no atao hoe andro. Ny tsingerim-pihodinan' ny Tany amin' ny Masoandro no atao hoe taona, izay manana salany maharitra 365 andro sy 5 ora sy 48 mn ary 45,5 s.

Taloha, ny faharetan' ny iray volana refesina amin' ny isan'ny andro ao aminy dia nampitovizina amin' ny tsingerim-pihodinan' ny Volana amin' ny Tany, izay misy 29 na 30 andro. Ny taona manara-bolana, izay misy tsingerim-pihodinanam-bolana miisa 12 dia misy 354 andro, ka latsaka 11 andro sy 1/4 amin' ny taona manara-masoandro izany. Natao araka ny taona manara-masoandro ny tetiandro gregôriana ka maharitra 28 hatramin' ny 31 andro ny iray iray volana.

Niteraka fanovana tetiandro ny tsy fahafahana mizara feno ireo ventin-kalavam-potoana lehibe kokoa amin' ireo kely kokoa (andro, herinandro, volana, taona). Niteraka fahataran' ny tetiandro miohatra amin' ny tsingerim-pihodinan' ny Tany amin' ny Masoandro ny fampiasana tetiandro manara-bolana tanteraka ka niteraka fananampiana iray volana amin' ny taona sasany izany ao amin' ny tetiandro manara-bolana sy masoandro.

Ireo karazana tetiandro hanova

Telo karazana ny tetiandro fampiasa matetika hatramin' izay, dia ny tetiandro manara-bolana sy ny tetiandro manara-bolana sy masoandro ary ny tetiandro manara-masoadro.

Tetiandro manara-bolana hanova

 
Volana

Ny faharetan' ny tsingerim-pihodinan' ny Volana dia 29,5305882 andro nefa ny iray volana dia tsy maintsy misy andro maromaro feno (samy maharitra 24 ora) fa tsy mitovy amin' io isa eo ambony io. Ny tetiandro mozilmana no tetiandro manara-bolana tanteraka. Tetiandro manara-bolana tanteraka ny tetiandro malagasy ahitana anaram-bolana avy amin' ny teny arabo, araka ny fiheveran' ny mpandala ny maha Malagasy sasany.

Ny volana hanova

Matetika dia misy 29 na 30 andro ny iray volana ao amin' ny tetiandro manara-bolana (amin' ny heviny hentitra) sady tsy maintsy miisa 12 ao anatin' ny iray taona.

Ny taona hanova

Maharitra 354,3670584 andro ny salam-paharetan' ny taona iray ao amin' ny tetiandro manara-bolana, nefa noho ny taona tsirairay izay tokony hisy andro feno dia maharitra 354 na 355 andro izany. Izany hoe latsaka 10 na 11 andro raha mitaha amin' ny taona amin' ny tetiandro gregôriana.

Tetiandro manara-bolana sy masoandro hanova

Ny maro amin' ny tetiandro atao hoe manara-bolana, raha ny marina, dia tetiandro manara-bolana sy masoandro. Ireto avy ireo tetiandro manara-bolana sy masoandro fantatra indrindra: ny tetiandro hebreo, ny tetiandro samaritana, ny tetiandro sinoa, ny tetiandro tibetàna ary ny tetiandro hindoa. Ny tetiandro manara-bolana sy masoandro an' ny Hebreo sy ny Sinoa dia ampiasaina hamaritana ny andro hanaovana firavoravoam-pivavahana na ara-pomban-drazana.

Amin' ny hevitry ny Malagasy sasany dia tetiandro manara-bolana sy masoandro ihany koa ny tetiandro malagasy ahitana anaram-bolana amin' ny teny arabo, amin' izao fotoana izao dia ampiasaina indrindra amin' ny fanandroana ny tetiandro malagasy maro izay miovaova ka tsy mitovy arakaraka ny faritra eto Madagasikara.

Ny taona hanova

Misy 12 volana ny iray taona nefa indraindray dia mitombo 13. Mba hanakekezana kokoa ny tsingerim-pihodinan' ny Tany amin'ny Masoandro, izay tsapa amin' ny alalan' ny tsingerin' ny fizaran-taona sy ny toeran' ny antokon-kintana eny amin' ny lanitra, dia anatsofohana iray volana fanampiny (volana faha-13) isaky ny telo taona eo ny tetiandro manara-bolana sy masoandro. Noho izany misy ireo tetiandro ampiasana ny fifandraisan' ny telo taona amin' ny 37 volana na ny 19 taona amin' ny 235 volana (ity no atao hoe "Tsingerin' i Metôna").

Tetiandro manara-masoandro hanova

 
Masoandro

Ao amin' ireo tetiandro manara-masoandro dia tsy mifanaraka amin'ny faharetan' ny tsingerim-pihodinan' ny Volana ny iray volana. Ny faharetan' ny iray taona no kendrena hanakaiky indrindra ny tsingerim-pihodinan' ny Tany amin' ny Masoandro izay maharitra 365,242201 andro. Tetiandro manara-masoandro tanteraka ny tetiandro egiptiana sy ny tetiandro joliana ary ny tetiandro gregôriana.

Ny tetiandro egiptiana hanova

Nisy 365 andro ny iray taona tao amin' ny tetiandro egiptiana sady nitsinjara ho 12 volana (ahitana 30 andro avy) sy 5 andro fanampiny. Nampiasaina nandritra ny 4 500 taona izany tetiandro izany.

Ny tetiandro joliana hanova

Misy 365,25 andro ny salam-paharetan' ny iray taona ao amin' ny tetiandro joliana nefa nihoatra 3 andro izany isaky ny taonjato 4 raha ampitahaina amin' ny tsingerim-pihodinan' ny Tany amin' ny Masoandro, ka nahatonga ny fihoarana 10 andro eo ho eo tamin' ny taonjato faha-16 izay nitarika ho amin' ny fampiasana ny tetiandro gregôriana tamin' ny fanitsiana azy tamin' ny taona 1582 faha-papa Gregôrio XIII.

Ny tetiandro gregôriana hanova

Ny salam-paharetan' ny taona ao amin' ny tetiandro gregôriana dia misy 365,2425 andro eo ho eo. Na ny tetiandro gregôriana aza dia mbola ahitana elanelana 3 andro amin' ny tsingerim-pihodinan' ny Tany amin' ny Masoandro isaky ny 10 000 taona.

Ny ankamaroan' ny anaram-bolana ao amin' ny tetiandro gregôriana dia anarana nanomezam-boninahitra ireo andriamanitry ny Rômana sy ny emperora na kaisarany fony izy ireo nanompo sampy. Na dia lasa kristiana aza i Rôma dia tsy afaka nanova ireo anaram-bolana ireo. Tsy nanova izany koa ireo antokom-pivavahana kristiana na hafa, eny fa na dia ireo tsy te hanan-javatra ifandraisana amin' ny fanompoan-tsampy aza.

Teny malagasy Teny latina Heviny
Janoary, Zanvie Ianuarius Mifandray amin' ny andriamanitra Janosy, andriamanitry ny fiantombohana sy ny fiafarana
Febroary, Fevrie Februarius Volam-pidiovana, mifandray amin’ i Apôlô, andriamanitry ny
Marsa, Martsa Martius Mifandray amin’ i Marsa, andriamanitry ny ady
Avrily, Aprily Aprilis Volam-pisokafan’ ny voninkazo sy ny taona, volan' ny andriamanibavy Afrôdita, andriamanitry ny fitiavana
Mey, May Maius Mifandray amin’ ny andriamanibavy Maia, andriamanitry ny fahalonahana sy ny lohataona
Jona, Jiona Iunius Mifandray amin’ ny andriamanibavy Jonô, mpiaro ny fanambadiana
Jolay Iulius Volana anomezam-boninahitra an' i Jolio Kaisara (emperora rômana)
Aogositra Augustus Volana anomezam-boninahitra an' i Aogosto Kaisara
Septambra September Volana "fahafito" tao amin’ ny tetiandro romana
Ôktôbra October Volana "fahavalo" tao amin' ny tetiandro romana
Nôvambra November Volana "fahasivy" tao amin' ny tetiandro romana
Desambra December Volana "fahafolo" tao amin' ny tetiandro romana

Jereo koa hanova