Ny Alakarabo no vintana fahavalo amin' ny fanandroana malagasy. Ny Adimizana no eo alohany ary ny Alakaosy no manaraka azy. Ny tapany atsimo amin' ny rindrin-trano andrefana no toerana omena azy[1].

Ny fiavian' ilay anarana hanova

Ny fiavian' ilay anarana hanova

Avy amin' ny anaran' antokon-kintan' ny zodiaka amin' ny teny arabo hoe اعقرب / Al-Akrab ("maingoka") ny hoe Alakarabo.

Manondro ny antokon-kintana atao amin' ny teny latina sy anglisy hoe Scorpius na amin' ny teny frantsay hoe Scorpion ("maingoka"). Amin' ny fiteny soahily dia atao hoe Akarabu na Nge io antokon-kintana io. Amin' ny teny maley dia atao hoe Akrab na Kala ihany koa izy.

 
Antokon-kintan'ny Maingoka

Ny antokon-kintana Maingoka sy ny zôdiaka hanova

Eo amin' ny 20 Novambra hatramin' ny 29 Novambra ny fotoana andalovan' ny masoandro ao amin' ny fari-danitry ny antokon-kintana Maingoka. Amin' ny 23 Oktobra hatramin' ny 22 Novambra ny fari-potoan' ny Maingoka ao amin' ny zôdiaka mikisaka fa amin' ny 16 Novambra hatramin' ny 15 Desambra izany araka ny zôdiakan-kintana. Tsy mifanaraka amin' ireo ny fanandroana malagasy noho izy miandry tsinam-bolana.

Ny vintana Alakarabo hanova

Toerany hanova

Ao amin' ny fanandroana malagasy dia vintana fahavalo koa izy ka ny tapany atsimo amin' ny rindrin-trano andrefana no toerana omena azy. Zanabintana ny Alakarabo. Miarina eo amin' ny Alahamady sady mifandratra amin' ny Adaoro ny vintana Alakarabo.

Fombany hanova

Araka ny finoan-drazana malagasy dia vintana tsara ny Alakarabo satria andron' ny fahavokarana.

Vava Alakarabo hanova

Tokony misoronana akondro vokatra ny olona amin'ny vava Alakarabo amin' ny maha vintam-bokatra azy. Ny zazavavy teraka vava Alakarabo dia ho maro anaka fa ny zazalahy kosa ho tratra antitra. Voalaza fa teraka tamin' ny vava Alakarabo ny mpanjaka Ranavalona II.

Vody Alakarabo hanova

Ny zazavavy teraka vody Alakarabo dia ho maro anaka ihany koa ary ny zazalahy ho tratra antitra.

Ny volana Alakarabo hanova

Misy amin' ny Malagasy ny mandray ny volana Alakarabo ho volana fahavalo amin' ny taona ao amin' ny tetiandro malagasy (raha ny Alahamady no ataony volana voalohany). Manomboka amin'ny vava Alakarabo ka miafara amin' ny vody Adimizana ny volana Alakarabo raha misy 28 andro. Raha tsy tsinanam-bolana ny andro aorian' ny vody Adimizana dia miafara amin' ny vava Alakarabo ny volana izay misy 29 andro; raha mbola tsy tsinana aorian' io vava Alakarabo io dia mifarana amin' ny vody Alakarabo ny volana izay misy 30 andro. Isan' ny olona teraka tamin' ny vava Alakarabo ny mpanjaka Ranavalona II.

Jereo koa hanova

Vintana ao amin' ny fanandroana malagasy:

Evan' ny zôdiaka:

Antokon-kintan' ny zôdiaka:

Tetiandro

Loharano sy fanamarihana hanova

  1. "Alakarabo", ao amin'ny Rakibolana malagasy sy Rakipahalalàna momba an'i Madagasikara.