Ny zoro dia endrika ao amin' ny lemaka ara-jeômetria izay ampaham-belarana voafaritry ny antsasa-kitsy roa mifanapaka na voafaritry ny lemaka roa mifanapaka. Misy ireo zoro mitsoko na zoro anatiny (mirefy latsaky ny 180°, dia ny zoro mahitsy: 90°, ny zoro filo: eo anelanelan' ny 0° sy 90°, ary ny zoro dombo: eo anelanelan' ny 90° sy 180°) sy ny zoro fisaka (180°) ary ny zoro ivelany (mirefy mihoatra ny 180°). Atao hoe zoro mifameno ny zoro roa izay mahafeno 90° ny fitambaran' ny refiny.

Zoro (mirefy 45°)
Fandrefy zoro

Refin' ny zoro hanova

Maro ny karazana venty (mbamin' ny jotsotombony) andrefesana ny haben' ny zoro ka anisan' izany ny degre (°) sy ny grady (gr na g na gon) ary ny radian (rad).

Ny jotsotombon' ny degre (°) dia ny minitran-joro (') sy ny segondran-joro ("). Ny 1' (iray minitran-joro) dia mirefy 1°/60; ny 1" (iray segondran-joro) dia mirefy 1°/3 600.

Ny 180° dia mira amin' ny 400g. Ny 180° dia mira amin' ny 2π rad, izany hoe marikitra ny 6,28 rad.

Jereo koa hanova