Ny Talata dia andro faharoa ao amin'ny herinandro raha ny Alatsinainy no andro voalohany, fa andro fahatelo kosa raha ny Alahady ny andro voalohany. Amin' ny Malagasy manaja ny nentin-drazana dia andro fahenina izy raha manomboka amin' ny Alakamisy ny herinandro.

Fiforonan-tenyHanova

Ny teny malagasy hoe Talata na Atalata dia avy amin'ny teny arabo hoe الثلاثاء / ath-thulathā’.

Ny Talata eo amin' ny kolontsaina malagasyHanova

Ny finoan-drazana malagasy momba ny andro TalataHanova

Andro natokana hivoahan' ny Andriana sy fananterana ny zavatr' andriana ny andro Talata. Io no tsara hivoahan' ny tafika fa tsy ny Alatsinainy. Tsy azo atao ny mamangy manjò amin' ny Talata.

Ohabolana momba ny andro TalataHanova

  • Basy tapaka talata : tsy ananan-tsininy.

Jereo koa:Hanova