Asombola
Ny Asombola no vintana fahenina amin' ny fanandroana malagasy. Ny Alahasaty no eo alohany ary ny Adimizana no manaraka azy. Ny tapany andrefana amin' ny rindrin-trano atsimo no toerana omena azy[1].
Fiavian' ilay anarana
hanovaFiavian' ilay anarana
hanovaAvy amin' ny anaran' antokon-kintan'ny zôdiaka amin' ny teny arabo hoe السنبلة / As-Sumbul ("virjina") ny hoe Asombola.
Manondro ny antokon-kintana atao amin' ny teny latina sy anglisy hoe Virgo na amin' ny teny frantsay hoe Vierge izy. Amin' ny teny maley dia atao hoe Sunbulat na Sumbulat na Perawan ihany koa izy.
Ny antokon-kintana Virijiny sy ny zôdiaka
hanovaNy fotoana andalovan' ny masoandro eo amin' ny antokon-kintan' ny Virijiny dia manomboka amin' ny 16 Septambra ka miafara amin'n y 30 Oktobra. Ny fari-potoan' ny Virijiny araka ny zôdiakan-kintana (frantsay: zodiaque sideral) dia hatramin' ny 16 Septambra ka hatramin' ny 15 Oktobra. Ny Virijiny ao amin' ny zôdiakam-panandroana mahazatra (zôdiaka mikisaka; frantsay: zodiaque tropical) dia manomboka amin' ny 23 Septambra ka miafara amin' ny 22 Oktobra. Tsy mifanaraka amin' ireo ny fanandroana malagasy noho izy miandry tsinam-bolana.
Liona na Alahasaty | Viriijny na Asombola | Mizana na Adimizana | |
Antokon-kintana | 10 Aogositra - 16 Septambra | 16 Septambra - 30 Oktobra | 30 Oktobra - 20 Novambra |
Zôdiakan-kintana | 16 Aogositra - 15 Septambra | 16 Septambra - 15 Oktobra | 16 Oktobra - 15 Novambra |
Zôdiaka mikisaka | 23 Jolay - 22 Aogositra | 23 Aogositra - 22 Septambra | 23 Septambra - 22 Oktobra |
Ny vintana Asombola
hanovaToerany
hanovaAo amin' ny fanandroana malagasy dia vintana fahenina ny Asombola ka ny tapany andrefana amin' ny rindrin-trano atsimo no toerana omena azy. Mifandratra amin' ny Alohotsy sy miarina eo amin' ny Alahamady ny vintana Asombola. Baben' ny renivintana Adimizana ny zanabintana Asombola. Ao amin' ny fitetezana andro dia mitondra tonon' andro roa ny Asombola, dia ny vava Asombola (na vavan' Asombola) sy ny vody Asombola (na vodin' Asombola). Zanabintana ny Asombola.
Fombany
hanovaAraka ny finoan-drazana malagasy dia vintam-bola sy vintan' ny olona tia harena ny Asombola.
Vava Asombola
hanovaNy zazalahy teraka vava Asombola dia ho mpivarotra ary hahazo volabe. Ny zazavavy kosa ho mpanao taozavatra sy ho mpila harena.
Vody Asombola
hanovaNy zaza teraka vody Asombola dia ho mpila vola sy hanan-karena.
Ny volana Asombola
hanovaMisy amin'ny Malagasy ny mandray ny volana Asombola ho volana fahenina amin'ny taona ao amin'ny tetiandro malagasy (raha ny Alahamady no ataony volana voalohany).
Manomboka amin' ny vava Asombola ka miafara amin' ny vody Alahasaty ny volana Asombola raha misy 28 andro. Raha tsy tsinanam-bolana ny andro aorian' ny vody Alahasaty dia miafara amin' ny vava Asombola ny volana izay misy 29 andro; raha mbola tsy tsinana aorian' io vava Asombola io dia mifarana amin' ny vody Asombola ny volana izay misy 30 andro.
Jereo koa
hanovaVintana ao amin' ny fanandroana malagasy:
- Alahamady - Adaoro - Adizaoza - Asorotany - Alahasaty - Asombola - Adimizana - Alakarabo - Alakaosy - Adijady - Adalo - Alohotsy
Evan' ny zôdiaka:
- Ondrilahy - Ombilahy - Kambana - Foza - Liona - Virijiny - Mizana - Maingoka - Mpitifitra Tsipìka - Tandrok' Osy - Mpitondra Rano - Hazandrano
Antokon-kintan' ny zôdiaka:
- Ondrilahy - Ombilahy - Kambana - Foza - Liona - Virijiny - Mizana - Maingoka - Bibilava - Mpitifitra Tsipìka - Tandrok' Osy - Mpitondra Rano - Hazandrano
Tetiandro