Adaoro
Ny Adaoro no vintana faharoa ao amin'ny fanandroana manaraka ny zodiaka. Ny Alahamady no eo alohany ary ny Adizaoza no manaraka azy.
Fiavian'ilay anaranaHanova
Avy amin'ny anaran'antokon-kintan'ny zodiaka amin'ny teny arabo hoe اثور / Ath-Thur na Ath-Thaur ("ombilahy") ny hoe Adaoro.
Manondro ny antokon-kintana atao amin'ny teny latina sy anglisy hoe Taurus na amin'ny teny frantsay hoe Taureau ny hoe Adaoro. Amin'ny teny soahily izy dia atao hoe Ng'ombe fa amin'ny teny maley kosa dia Lembu Jantan na Kerbau Jantan.
Ny antokon-kintana Adaoro sy ny zodiakaHanova
Ny fotoana andalovan'ny masoandro ao amin'ny fari-danitry ny antokon-kintan'ny Adaoro dia amin'ny 13 Mey hatramin'ny 21 Jona. Ny fari-potoan'ny Adaoro araka ny zodiakan-kintana dia eo amin'ny 16 Mey hatramin'ny 15 Jona. Ny Adaoro ao amin'ny zodiaka mikisaka dia avy eo amin'ny 21 Mey ka miafara amin'ny 20 Jona. Ny fanandroana malagasy dia tsy mifanaraka amin'ireo noho izy miandry tsinam-bolana.
Alahamady | Adaoro | Adizaoza | |
Antokon-kintana | 18 Avrily - 13 Mey | 13 Mey - 21 Jona | 21 Jona - 20 Jolay |
Zodiakan-kintana | 15 Avrily - 15 Mey | 16 Mey - 15 Jona | 16 Jona - 15 Jolay |
Zodiaka mikisaka | 21 Marsa - 20 Avrily | 21 Avrily - 20 Mey | 21 Mey - 21 Jona |
Ao amin'ny fanandroana malagasyHanova
Ao amin'ny fanandroana malagasy dia vintana faharoa ny Adaoro ka ny tapany avaratra amin'ny rindrin-trano atsinanana no toerana omena azy. Zanabintana ny Adaoro. Inoana ho andron'afo na andro mandoro ny Adaoro. Mifandratra amin'ny Alakarabo sady mihataka miarina eo amin'ny Adimizana ny Adaoro.
Misy amin'ny Malagasy ny mandray ny volana Adaoro ho volana faharoa amin'ny taona ao amin'ny tetiandro malagasy (raha ny Alahamady no ataony volana voalohany).