Fanandroan-kintana

Ny fanandroan-kintana dia fanandroana miankina tanteraka amin' ny kintana na ny antokon-kintana (antokon-kintan' ny zôdiaka indrindra) izay azo jerena tokoa eny amin' ny lanitra. Mety ho ny maso fotsiny no enti-mijery izany mivantana na amin' ny alalan' ny fampiasana fitaovana moderna. Miankina amin' ny zôdiakan-kintana ny fanandroan-kintana. Io no fanandroana ampasain' ny firenena aziatika (ny fanandroana indiana atao hoe Jyoyish, ohatra) sy ampahany kely amin' ny mpanandro any amin' ireo Tandrefana. Lasa nalaza tao amin' ireo mpanandro tandrefana io karazam-panandroana io tamin' ny taona 1940 vokatry ny asa soratr' ilay Irlandey atao hoe Cyril Fagan. Misy karazany roa ny fanandroan-kintana, dia ny fanandroana araka ny antokon-kintan' ny zôdiaka sy ny fanandroana araka ny zôdiakan-kintana.

Ny antokon-kintanan' ny zôdiaka hanova

Ireto avy ny anaran' ireo antokon-kintan' ny zôdiaka: Ondrilahy (na Alahamady), Ombilahy (na Adaoro), Kambana (na Adizaoza), Foza (na Asorotany), Liona (na Alahasaty), Virijiny (na Asombola), Mizana (na Adimizana), Maingoka (na Alakarabo), Mpitifitra Tsipika (na Alakaosy), Tandrok' Osy (na Adijady), Mpitondra Rano (na Adalo) ary Hazandrano (na Alohotsy). Manampy azy ireo ny antokon-kintana Bibilava (latina: Ophiucus).

Ny antokon-kintan' ny Ondrilahy hanova

Ny Ondrilahy dia antokon-kintan' ny zôdiaka andalovan' ny masoandro amin' ny 19 Avrily hatramin' ny 14 Mey. Eo anelanelan' ny antokon-kintan' ny Hazandrano eo andrefany sy ny an' ny Ombilahy eo atsinanana izy. Rehefa nampiasaina amin' ny fanandroana ny antokon-kintana dia nanome ny iray amin' ireo evan' ny zôdiaka mikisaka ho anarany io anaran' antokon-kintana io nefa amin' izao fotoana izao dia efa tsy mifanandrify amin' ny fotoana fandalovan' ny masoandro amin' ny fari-danitry ny antokon-kintana Ondrilahy ny fotoana andalovan' ny masoandro ao amin' ny evan' ny Ondrilahy izay manomboka eo amin' ny 21 Marsa ka miafara amin' ny 20 Avrily.

Ny antokon-kintan' ny Ombilahy hanova

Ny Ombilahy dia antokon-kintan' ny zôdiaka izay andalovan' ny masoandro amin' ny 14 Mey hatramin' ny 22 Jona. Eo anelanelan' ny antokon-kintan' ny Ondrilahy eo andrefany sy ny an' ny Kambana eo atsinanana izy. Ny evan' ny zôdiaka mitovy anarana aminy (Ombilahy), izay ampiasaina amin' ny fanandroana mahazatra ny Tandrefana, dia andalovan' ny masoandro amin' ny 20 Avrily hatramin' ny 21 Mey ka tsy mifanaraka amin' ny zava-misy ara-kaikintana intsony.

Ny antokon-kintan' ny Kambana hanova

Ny Kambana dia antokon-kintan' ny zôdiaka andalovan' ny masoandro amin' ny 21 Jona hatramin' ny 20 Jolay. Ny antokon-kintan' ny Ombiahy no eo andrefany ary ny an' ny Foza no eo antsinanany. Anaran' ny evan' ny zôdiaka ampiasaina amin' ny fanandroana mahazatra ny Tandrefana koa ny hoe Kambana izay andalovan' ny masoandro amin' ny 21 Mey hatramin' ny 21 Jona.

Ny antokon-kintan' ny Foza hanova

Ny Foza dia antokon-kintan' ny zôdiaka andalovan' ny masoandro amin' ny 20 Jolay hatramin' ny 10 Aogositra. Eo andrefany no misy ny Kambana fa eo atsinanany kosa ny Liona. Andalovan' ny masoandro amin' ny 22 Jona hatramin' ny 22 Jolay ny evan' ny zôdiaka Foza mitovy anarana aminy izay ampiasaina amin' ny fanandroana mahazatra ny Tandrefana.

Ny antokon-kintan' ny Liona hanova

Ny Liona dia antokon-kintan' ny zôdiaka andalovan' ny masoandro amin' ny 10 Aogositra hatramin' ny 16 Septambra. Ny antokon-kintan' ny Foza no eo andrefany fa ny an' ny Virijiny kosa no eo atsinanany. Ny evan' ny zôdiaka Liona, mitovy anarana aminy, izay ampiasaina ao amin' ny fanandroana mahazatra ny Tandrefana, dia andalovan' ny masoandro amin' ny 23 Jolay hatramin 'ny 22 Aogositra.

Ny antokon-kintan' ny Virijiny hanova

Ny Virijiny dia antokon-kintan' ny zôdiaka andalovan' ny masoandro amin' ny 16 Septambra hatramin' ny 30 Oktobra. Ny antokon-kintan' ny Liona no eo andrefany fa ny an' ny Mizana kosa no eo atsinanany. Ny evan' ny zôdiaka Virijiny, mitovy anarana aminy, izay ampiasaina ao amin' ny fanandroana mahazatra ny Tandrefana, dia andalovan' ny masoandro amin' ny 23 Aogositra hatramin' ny 22 Septambra.

Ny antokon-kintan' ny Mizana hanova

Ny Mizana dia antokon-kintan' ny zôdiaka andalovan' ny masoandro amin' ny 30 Oktobra hatramin' ny 20 Novambra. Ny antokon-kintan' ny Virijiny no eo andrefany fa ny an' ny Maingoka kosa no eo atsinanany. Ny evan' ny zôdiaka Mizana, mitovy anarana aminy, izay ampiasaina ao amin' ny fanandroana mahazatra ny Tandrefana, dia andalovan' ny masoandro amin' ny 23 Septambra hatramin' ny 22 Oktobra.

Ny antokon-kintan' ny Maingoka hanova

Ny Maingoka dia antokon-kintan' ny zôdiaka andalovan' ny masoandro amin' ny 20 Novambra hatramin' ny 29 Novambra. Ny antokon-kintan' ny Mizana no eo andrefany fa ny an' ny Bibilava kosa no eo atsinanany. Ny evan' ny zôdiaka Maingoka, mitovy anarana aminy, izay ampiasaina ao amin' ny fanandroana mahazatra ny Tandrefana, dia andalovan' ny masoandro amin' ny 23 Oktobra hatramin' ny 22 Novambra.

Ny antokon-kintan' ny Bibilava hanova

Ny Bibilava dia antokon-kintan' ny zôdiaka andalovan' ny masoandro amin' ny 29 Novambra hatramin' ny 18 Desambra. Ny antokon-kintan' ny Maingoka no eo andrefany fa ny an' ny Mpitifitra Tsipìka kosa no eo atsinanany. Tsy misy ny evan' ny zôdiaka mikisaka na ny evan' ny zôdiakan-kintana mitovy anarana aminy.

Ny antokon-kintan' ny Mpitifitra Tsipìka hanova

Ny Mpitifitra Tsipìka dia antokon-kintan' ny zôdiaka andalovan' ny masoandro amin' ny 19 Desambra hatramin' ny 20 Janoary. Ny antokon-kintan' ny Bibilava (Ophiucus) no eo andrefany fa ny an' ny Tandrok' Osy kosa no eo atsinanany. Ny evan' ny zôdiaka Mpitifitra Tsipìka, mitovy anarana aminy, izay ampiasaina ao amin' ny fanandroana mahazatra ny Tandrefana, dia andalovan' ny masoandro amin' ny 23 Novambra hatramin' ny 21 Desambra.

Ny antokon-kintan' ny Tandrok' Osy hanova

Ny Tandrok' Osy dia antokon-kintan' ny zôdiaka andalovan' ny masoandro amin' ny 20 Janoary hatramin' ny 16 Febroary. Ny antokon-kintan' ny Mpitifitra Tsipìka no eo andrefany fa ny an' ny Mpitondra Rano kosa no eo atsinanany. Ny evan' ny zôdiaka Tandrik' Osy, mitovy anarana aminy, izay ampiasaina ao amin' ny fanandroana mahazatra ny Tandrefana, dia andalovan' ny masoandro amin' ny 22 Desambra hatramin' ny 20 Janoary.

Ny antokon-kintan' ny Mpitondra Rano hanova

Ny Mpitondra Rano dia antokon-kintan' ny zôdiaka andalovan' ny masoandro amin' ny 16 Febroary hatramin' ny 11 Marsa. Ny antokon-kintan' ny Tandrok' Osy no eo andrefany fa ny an' ny Hazandrano kosa no eo atsinanany. Ny evan' ny zôdiaka Mpitondra Rano, mitovy anarana aminy, izay ampiasaina ao amin' ny fanandroana mahazatra ny Tandrefana, dia andalovan' ny masoandro amin' ny 21 Janoary hatramin' ny 19 Febroary.

Ny antokon-kintan' ny Hazandrano hanova

Ny Hazandrano dia antokon-kintan' ny zôdiaka andalovan' ny masoandro amin' ny 11 Marsa hatramin' ny 18 Avrily. Ny antokon-kintan' ny Mpitondra Rano no eo andrefany fa ny an' ny Ondrilahy kosa no eo atsinanany. Ny evan' ny zôdiaka Hazandrano, mitovy anarana aminy, izay ampiasaina ao amin' ny fanandroana mahazatra ny Tandrefana, dia andalovan' ny masoandro amin' ny 20 Febroary hatramin' ny 20 Marsa.

Ny zôdiakan-kintana hanova

Satria efa tsy mifanaraka amin' ny antokon-kintana mitovy anarana aminy ireo evan' ny zôdiaka mikisaka dia namaritra zôdiaka manaraka ny antokon-kintan' ny zôdiaka ny mpanandro sy ny mpahay kintana taty aoriana. Io no atao hoe zôdiakan-kintana izay ahitana fitsinjarana roa ambin' ny folo ny zôdiaka manontolo. Ny fari-danitry ny evan' ny zôdiakan-kintana dia mitovy ka tsy mifanandrify habe amin' ny fari-danitra misy ny antokon-kintana tandrify azy tsirairay. Tsy misy anefa ny evan' ny zôdiakan-kintana mitovy anarana amin' ny antokon-kintana Bibilava (Ophiucus). Ny fandalovan' ny masoandro ao amin' ny fari-danitry ny eva iray araka ny zôdiaka mikisaka dia lasa aloha loatra raha mitaha amin' ny fandalovany ao amin' ny fari-danitry ny eva mitovy anarana aminy araka ny zôdiakan-kintana, ka mahatratra saika iray volana eo izany fifandisoana izany.

Ny evan' ny Ondrilahy araka ny zôdiakan-kintana hanova

Raha andalovan' ny masoandro amin' ny 19 Avrily hatramin'ny 14 Mey ny fari-danitry ny antokon-kintan' ny Ondrilahy, ny fotoana andalovan' ny masoandro ao amin' ny fari-danitry ny evan' ny Ondrilahy araka ny zôdiakan-kintana dia eo anelanelan' ny 15 Avrily sy 15 Mey.

Ny evan' ny Ombilahy araka ny zôdiakan-kintana hanova

Raha andalovan' ny masoandro amin' ny 14 Mey hatramin' ny 22 Jona ny fari-danitry ny antokon-kintan' ny Ombilahy, ny fotoana andalovan' ny masoandro ao amin' ny fari-danitry ny evan' ny Ombilahy araka ny zôdiakan-kintana dia eo anelanelan' ny 16 Mey sy 15 Jona.

Ny evan' ny Kambana araka ny zôdiakan-kintana hanova

Raha andalovan' ny masoandro amin' ny 21 Jona hatramin' ny 20 Jolay ny fari-danitry ny antokon-kintan' ny Kambana, ny fotoana andalovan' ny masoandro ao amin' ny fari-danitry ny evan' ny Kambana araka ny zôdiakan-kintana dia eo anelanelan' ny 16 Jona sy 15 Jolay.

Ny evan' ny Foza araka ny zôdiakan-kintana hanova

Raha andalovan' ny masoandro amin' ny 20 Jolay hatramin' ny 10 Aogositra ny fari-danitry ny antokon-kintan' ny Kambana, ny fotoana andalovan' ny masoandro ao amin' ny fari-danitry ny evan' ny Kambana araka ny zôdiakan-kintana dia eo anelanelan' ny 16 Jolay sy 15 Aogositra.

Ny evan' ny Liona araka ny zôdiakan-kintana hanova

Raha andalovan' ny masoandro amin' ny 10 Aogositra hatramin' ny 16 Septambra ny fari-danitry ny antokon-kintan' ny Liona, ny fotoana andalovan' ny masoandro ao amin' ny fari-danitry ny evan' ny Liona araka ny zôdiakan-kintana dia eo anelanelan' ny 16 Aogositra sy 15 Septambra.

Ny evan' ny Virijiny araka ny zôdiakan-kintana hanova

Raha andalovan' ny masoandro amin' ny 16 Septambra hatramin' ny 30 Oktobra ny fari-danitry ny antokon-kintan' ny Virijiny, ny fotoana andalovan' ny masoandro ao amin' ny fari-danitry ny evan' ny Virijiny araka ny zôdiakan-kintana dia eo anelanelan' ny 16 Septambra sy 15 Oktobra.

Ny evan' ny Mizana araka ny zôdiakan-kintana hanova

Raha andalovan' ny masoandro amin' ny 30 Oktobra hatramin' ny 20 Novambra ny fari-danitry ny antokon-kintan' ny Mizana, ny fotoana andalovan' ny masoandro ao amin' ny fari-danitry ny evan' ny Mizana araka ny zôdiakan-kintana dia eo anelanelan' ny 16 Oktobra sy 15 Novambra.

Ny evan' ny Maingoka araka ny zôdiakan-kintana hanova

Raha andalovan' ny masoandro amin' ny 20 Novambra hatramin' ny 29 Novambra ny fari-danitry ny antokon-kintan' ny Maingoka, ny fotoana andalovan' ny masoandro ao amin' ny fari-danitry ny evan' ny Maingoka araka ny zôdiakan-kintana dia eo anelanelan' ny 16 Novambra sy 15 Desambra.

Ny evan' ny Mpitifitra Tsipìka araka ny zôdiakan-kintana hanova

Raha andalovan' ny masoandro amin' ny 19 Desambra hatramin' ny 20 Janoary ny fari-danitry ny antokon-kintan' ny Mpitifitra Tsipìka, ny fotoana andalovan' ny masoandro ao amin' ny fari-danitry ny evan' ny Mpitifitra Tsipìka araka ny zôdiakan-kintana dia eo anelanelan' ny 16 Desambra 14 Janoary.

Ny evan' ny Tandrok' Osy araka ny zôdiakan-kintana hanova

Raha andalovan' ny masoandro amin' ny 20 Janoary hatramin' ny 16 Febroary ny fari-danitry ny antokon-kintan' ny Tandrok' Osy, ny fotoana andalovan' ny masoandro ao amin' ny fari-danitry ny evan' ny Tandrok' Osy araka ny zôdiakan-kintana dia eo anelanelan' ny 15 Janoary sy 14 Febroary.

Ny evan' ny Mpitondra Rano araka ny zôdiakan-kintana hanova

Raha andalovan' ny masoandro amin' ny 16 Febroary hatramin' ny 11 Marsa ny fari-danitry ny antokon-kintan' ny Mpitondra Rano, ny fotoana andalovan' ny masoandro ao amin' ny fari-danitry ny evan' ny Mpitondra Rano araka ny zôdiakan-kintana dia eo anelanelan' ny 15 Febroary sy 14 Marsa.

Ny evan' ny Hazandrano araka ny zôdiakan-kintana hanova

Raha andalovan' ny masoandro amin' ny 11 Marsa hatramin' ny 18 Avrily ny fari-danitry ny antokon-kintan' ny Hazandrano, ny fotoana andalovan' ny masoandro ao amin' ny fari-danitry ny evan' ny Hazandrano araka ny zôdiakan-kintana dia eo anelanelan' ny 15 Marsa sy 14 Avrily.

Inty misy fafana maneho ny fahasamihafan' ny fotoana andalovan' ny masoandro amin' ny fari-danitry ny zôdiakan-kintana sy ny an' ny zôdiaka mikisaka ary ny antokon-kintan' ny zôdiaka.

Anarana Eva Zodiaka mihodina Antokon-kintana Zodiakan-kintana
Aries (Ondrilahy) 21 Marsa - 20 Avrily

(31 andro)

18 Avrily - 13 Mey

(25,5 andro)

15 Avrily - 15 Mey
Taurus (Ombilahy) 21 Avrily - 20 Mey

(31 andro)

13 Mey - 21 Jona

(38,2 andro)

16 Mey - 15 Jona
Gemini (Kambana) 21 Mey - 21 Jona

(31 andro)

21 Jona - 20 Jolay

(29,3 andro)

16 Jona - 15 Jolay
Cancer (Foza) 22 Jona - 22 Jolay

(31 andro)

20 Jolay - 10 Aogositra

(21,1 andro)

16 Jolay - 15 Aogositra
Leo (Liona) 23 Jolay - 22 Aogositra

(31 andro)

10 Aogositra - 16 Septambra

(36,9 andro)

16 Aogsitra - 15 Septambra
Virgo (Virijiny) 23 Aogositra - 22 Septambra

(31 andro)

16 Septambra - 30 Oktobra

(44,5 andro)

16 Septambra - 15 Oktobra
Libra (Mizana) 23 Septambra - 22 Oktobra

(30 andro)

30 Oktobra - 20 Novambra

(21,1 andro)

16 Oktobra - 15 Novambra
Scorpio (Maingoka) 23 Oktobra - 22 Novambra

(31 andro)

20 Novambra - 29 Novambra

(8,4 andro)

16 Novambra - 15 Desambra
Ophiuchus (Bibilava) 29 Novembra - 18 Desambra

(18,4 andro)

Sagittarius (Mpitifitra Tsipìka) 23 Novembra - 21 Desambra

(29 andro)

18 Desambra - 20 Janoary

(33,6 andro)

16 Desambra - 14 Janoary
Capricornus (Tandrok' Osy) 22 Desambra - 20 Janoary

(30 andro)

20 Janoary - 16 Febroary

(27,4 andro)

15 Janoary - 14 Febroary
Aquarius (Mpitondra Rano) 21 Janoary - 19 Febroary

(30 andro)

16 Fenroary - 11 Marsa

(23,9 andro)

15 Febroary - 14 Marsa
Pisces (Hazandrano) 20 Febroary- 20 Marsa

(29 na 30 andro)

11 Marsa - 18 Avrily

(37,7 andro)

15 Marsa - 14 Avrily
TOTALY 365 na 366 andro 366 andro

Jereo koa: hanova

Evan' ny zôdiaka:

Antokon-kintan' ny zôdiaka:

Vintana ao amin' ny fanandroana malagasy: