Tandrok' Osy (antokon-kintana)

(tonga teto avy amin'ny Adijady (antokon-kintana))

Ny Tandrok' Osy dia antokon-kintan'ny zôdiaka andalovan' ny masoandro amin'ny 20 Janoary hatramin'ny 16 Febroary. Ny antokon-kintan'ny Mpitifitra Tsipìka no eo andrefany fa ny an'ny Mpitondra Rano kosa no eo atsinanany.

Antokon-kintan'ny Tandrok' Osy

Avy amin'ny teny arabo dia atao hoe اجدي / Al-Djadi ("osilahy") io antokon-kintana io, izay niavian' ny anaran' ny vintana sy ny volana malagasy hoe Adijady na Alijady io teny io. Io antokon-kintana io dia atao amin'ny teny latina sy anglisy hoe Capricornus na amin'ny teny frantsay hoe Capricorne. Amin'ny teny grika izy dia atao hoe Αιγόκερως / Aigokerôs. Amin'ny teny soahily dia atao hoe Jadi na Mbuzi io antokon-kintana io. Amin'ny teny maley dia atao hoe Jadi na Kambing Duyung ihany koa izy.

Ny evan'ny zôdiaka Tandrok' Osy, mitovy anarana aminy, izay ampiasaina ao amin'ny fanandroana mahazatra ny Tandrefana, dia andalovan'ny masoandro amin'ny 22 Desambra hatramin'ny 20 Janoary.

Antokon-kintan'ny Tandrok' Osy

Jereo koa hanova

Antokon-kintan' ny zôdiaka:

Evan' ny zôdiaka:

Vintana ao amin' ny fanandroana malagasy: