Ranavalona II

Ranavalona II, teraka tamin'ny taona 1829 ary maty tamin'ny 13 Jolay 1883, dia mpanjakavavy nanjaka teo Madagasikara tamin'ny 1868 hatramin'ny 1883. Fotoana nifanandrinan'ny Frantsay sy ny Britanika izany ka ny teto Madagasikara dia ny fivavahana kristiana protestanta sy katolika no nisehoan'izany. Ramoma no anaran'ilay mpanjakavavy talohan'ny nahalasa mpanjaka azy. Niakatra teo amin'ny fitondrana izy tamin'ny nahafatesan-dRasoherina. Nanambady an-dRainilaiarivony izay efa vadin'ny mpanjakavavy nodimbiasany izy.

Ranavalona II

Nahazo laka ny fivavahana protestanta tamin'ny androny ary lasa fivavaham-panjakana izany satria natao batisa protestanta ny mpanjakavavy. Nodorany ny sampy ka nosoloany ny Baiboly. Niditra malalaka ny fomba vazaha. Nihamaro ka naharatra hatrany amin'ny 30 000 any ho any ny vatan-dehilahy tao amin'ny tafiny izay nampandry tany tany amin'ny Sakalava sy ny hafa koa.

Tamin'ny taona 1883 no nahafatesany sady nandimiasan-dRanavalona III azy.

Jereo koa:Hanova

 
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.