Ny faribolana dia endrika jeômetrika iray misy ny teboka rehetra ao anaty lemaka izay mitovy elanelana amin' ny teboka iray atao hoe ivo; izany dia mitovy amin' izany ny biloka azo amin' ny teboka mihetsika amin' ny lemaka ka ny elanelany amin' ivo dia tsy miova. Ny elanelan' ny teboka rehetra eo amin' ny faribolana sy ny ivony dia antsoina hoe tana. Ity lahatsoratra ity dia momba ny faribolana ao amin' ny jeometria eoklidiana, ary indrindra ny lemaka eoklidiana, afa-tsy izay misy fanamarihana hafa.

Faribolana

Raha atao manokana, ny faribolana dia biloka mihidy tsotra izay mizara ny lemaka ho faritra roa: anatiny sy ivelany. Amin' ny fampiasana io teny io hoe andavanandro, ny teny hoe "faribolana" dia azo ampiasaina mba hilazana ny faritr' ilay endrika, na ny faritra iray manontolo ao anatiny; amin' ny fampiasana teknika hentitra, ny faribolana dia io fetra io ihany ary ny endrika iray manontolo dia antsoina hoe kapila.

Raikipohy hanova

  • Savaivin' ny faribolana: D = 2R.
  • Manodidina ny faribolana: 2πR.
  • Velaran' ny kapila: πR2.

Jereo koa hanova