Ny bola dia velarana foronin' ny teboka rehetra mitovy elanelana amin' ny teboka iray atao hoe ivo ao anaty erana iray. Io elanelana io no atao hoe tanan' ny bola. Ny Tany, amin' ny fomba marikitra, dia azo heverina ho bola manana tana mirefy 6 371 km.