Valan-javaboarim-pirenena Andringitra

Ny Valan-javaboarim-pirenena Andringitra dia valan-javaboarim-pirenena ao amin' ny tapany afovoany-atsinanan' i Madagasikara. Noforonina ho "tahirin-javaboary manontolo" izy io tamin' ny voalohany tamin' ny taona 1927 ary avy eo nosokajiana ho valan-javaboarim-pirenena tamin' ny taona 1999. Ao amin' io valan-javaboary io no misy ny tampona Boby, tampon-tendrombohitra faharoa avo indrindra eto Madagasikara, aorian' i Maromokotro. Anisan' ny valan-javaboarim-pirenena enina voasokajy ho vakoka voajanahary maneran-tanin' ny ala mando any Atsinanana izy tamin' ny taona 2007. Ny Madagascar National Parks no nampiandraiketina ny fitantanana azy. Avy amin' ny Fondation pour les aires protégées et la biodiversité de Madagascar (na FAPBM) ny ampahany amin' ny famatsiam-bola.

Ny Valan-javaboarim-pirenena Andringitra

Karazan-javamananaina

hanova
 
Zavaniry sy vohon-tany mampiavaka ny Valan-javaboarim-pirenena Andringitra

Amin' izao fotoana izao dia misy karazana bibikely maherin' ny 190, karazana vorona maherin' ny zato, karazana amboanala sy biby mandady na mikisaka dimampolo eo ho eo, ary karazana foza sy patsa (Crustacea) fito ary karazana sahona (Amphibia) maherin' ny 70 ao amin' ny Valan-javaboarim-pirenena Andringitra. Toerana ahitana karazana zavamaniry maro dia maro koa io valan-javaboary io. Maherin' ny arivo ny karazan-javamaniry voarakitra avy ao ary be dia be ny karazana tsy fahita na aiza na aiza afa-tsy ao.

Lisitry ny karazana gidro hita ao amin' ny Valan-javaboarim-pirenena Andringitra
Fotoana ahitana azy Karazana
Amin' ny andro
Amin' ny alina

Ny mponina ao amin' ilay faritra

hanova

Ny mponina ao amin' ny Valan-javaboarim-pirenena Andringitra dia Bara mpiompy omby, izay afaka mandehandeha eny amin' ny tany karankainan' ny Nosy mandritra ny herinandro maromaro, mitondra andian' omby betsaka hitady toerana firaofana ahitra vaovao. Eritreretina ho manam-piaviana banto ny Bara, izay taranaky ny Afrikana antsoina hoe Rabiby, tonga nanao dia lavitra tany amin' ny tapany atsimon' i Madagasikara niaraka amin' ny lehilahy maherin' ny arivo. Toerana manana tombony sy iankinan' ny aina ho an' io vahoaka io ilay valan-javaboary, izay tondrahan' ny renirano maro.

Fomba idirana ao

hanova

Avy any amin' ny Lalam-pirenena faha-7 (RN7) (mampitohy an' Antananarivo amin' Toliara), miala ao Ambalavao na Tanambao (i Tanambao dia eo amin' ny 35 km miala an' Ambalavao mankany Ihosy manaraka ny RN7); any amin' ny 47 km miala an' Ambalavao na 25 km miala an' i Tanambao, azo aleha mandritra ny taona, nefa misy sakana noho ny orana. Mety hikatona mandritra ny 12 ora ny lalana aorian' ny orambe. Misy ny sarany aloan' ny mpitsidika amin' ny mponina any an-toerana mba hiantohana ny fikojakojana ilay lalana. Maharitra adiny 36 fara fahakaliny ny faharetan' ny dia raha avy any Antananarivo.

Jereo koa

hanova

Valan-javaboary

  1. Entretien Piste Ambalavao-Sendrisoa-Namoly