Valan-javaboarim-pirenena Namoroka

Ny Valan-javaboarim-pirenena Namoroka na fantatra koa amin' ny hoe Valan-javaboarin' ny Tsingin' i Namoroka, dia valan-javaboary malagasy ao amin' ny tapany avaratra-andrefan' i Madagasikara, ao amin' ny Distrikan' i Soalala, Faritanin' i Mahajanga. Manana velarana 220,71 km2 ity valan-javaboary ity.

Valan-javaboarin'i Namoroka
Valan-javaboarin'i Namoroka
Toerana Avaratra andrefan'i Madagasikara
Tanàna akaiky Soalala, Mahajanga
Velarana 220.71 km²
Namoroka Tsingy

Tantara

hanova

Ny taona 1927[1] no niorina ny Valan-javaboarin' i Namoroka ary nanjary lasa tahirin-javaboary manokana (réserve spéciale) izy nanomboka tamin' ny taona 1966.

Jeôgrafia

hanova

Sahabo ho 50 km atsimon' i Soalala, any amin' ny ilany avaratra-andrefan' i Madagasikara no ahitana azy. Maharitra fito volana ny vanim-potoana main-tany any, ary dimy volana kosa ny vanim-potoana fahavaratra. Ny mari-drefin' ny filatsahan' ny orana dia eo amin' ny 115 sm isan-taona, ary ny mari-pana kosa dia manodidina ny 25 °C. Ny tsingy sy zohy ary canyon no tena mampalaza an' io vala io.

Fanamarihana hafa

hanova

Namoroka no anarana nosafidian' i Mozilla Firefox ho an' ny tao faha 3.6.[2] an' io rindrankajy io.

Jereo koa

hanova

Valan-javaboary

  1. The Tsingy de Namoroka National Park Sitesheet Archived Aprily 11, 2009 at the Wayback Machine. World Database on Protected Areas.
  2. "Firefox 3.6 Namoroka". Mozilla. April 3rd, 2009. Retrieved on 2009-04-04.

Rohy ivelany

hanova