Ny bikely dia biby tsy misy hazon-damosina, manana tongotra enina milahatra tsiroaroa havia sy havanana. Mizara telo ny tenany: ny lohany (izay ahitana ny vavany sy ny tandrony roa ary ny masony) sy ny tratrany (izay misy ny tongony enina sy elany misosona roa) ary ny kibony (izay tsy misy zavatra mipoitra avy aminy). Somary mafy ny hodiny izay solon-taolany.

Bibikely