Valan-javaboarim-pirenen' ny Tendrombohitra Ambre

faritra arovana Antsiranana, Madagasikara

Ny Valan-javaboarim-pirenen' ny Tendrombohitra Ambre dia 38 km miala an' Antsiranana, ao amin' ny tapany avaratr' i Madagasikara, ao amin' ny Faritra Diana, ao amin' ny Distrikan' Antsiranana II ary akaikin' ny kaominina ambanivohitra manaraka ireto: Joffreville, Sakaramy, Bobakilandy, Anivorano-Nord, Antsalaka, Mosorolava, Ambondrona, Mahavanona, Anketrakabe, Mangaoka ary Antsahampano.

Riandranon' Antomboka ao amin' ny Valan-javaboarim-pirenen' ny Tendrombohitra Ambre.

Ny haavony dia 800 km hatramin' ny 1 475 km ambonin' ny ranomasina. Mirefy 23 010 ha ny velaran-tany misy azy, ka ny 18 200 ha ho an' ny Valan-javaboarim-pirenen' ny Tendrombohitra Ambre, ary ny 4 810 ha ho an' ny Tahiry Manokan' ny Alan' i Ambre izay noforonina tamin' ny taona 1958.

Nandritra ny fanjanahantany, io valan-javaboary io dia fananana manokana naorin' i Angèle sy Maurice Hutin. Namboly hazo izy ireo ka anisan' izany ny Araucaria araucana, ny Cryptomeria japoneica, ny kininina voaszart (Corymbia citriodora).

Jereo koa

hanova

Valan-javaboary