Valan-javaboarim-pirenena Zombitse-Vohibasia

Ny Valan-javaboarim-pirenena Zombitse-Vohibasia dia valan-javaboarim-pirenena ao amin' ny tapany atsimo-andrefan' i Madagasikara, 10 km atsinanan' i Sakaraha, 147 km avaratra-atsinanan' i Toliara ao amin' ny Faritra Atsimo-Andrefana. Tamin' ny taona 1997 no namoronana azy. Mirefy 36 308 ha izy io ary mizara telo: ny Alan' i Zombitse (16 845 ha) sy ny toerana misy an' Isoky Vohimena (3 293 ha) ary i Vohibasia (16 170 ha).

Valan-javaboarim-pirenena Zombitse-Vohibasia

Tantanin’ ny Madagascar National Parks amin' izao fotoana izao ny Valan-javaboarim-pirenena Zombitse-Vohibasia, ary ny ampahany amin' ny famatsiam-bola no omen' ny Fondation pour les Aires Protégées et la Biodiversité de Madagascar (FAPBM).

Bernieria appperti

Ahitana karazana gidro valo, 47 % amin' ny vorona tsy fahita raha tsy eto Madagasikara, anisan' izany ny karazana iray (Bernieria appperti), ity valan-javaboary ity.

Jereo koa

hanova

Valan-javaboary