Propithecus edwardsi
Ny Propithecus edwardsi dia karazana sifaka monina any amin' ny ala mando sy ny ala an-tany iva any amin' ny faritra atsinanan' i Madagasikara. Iray amin' ny karazana sifaka sivy misy eto Madagasikara izy.
Matevina ny volo mandrakotra ny lamosiny ary ny lokony dia miova avy amin' ny volontakatra ka hatramin' ny manja matroka. Ny sisim-batany dia mampiseho loko mazava kokoa, mamorona takelaka mitsivalana roa mihaona manandrify ny hazondamosiny indraindray. Miloko volondavenona na mainty ny tarehiny, toy ny sofiny izay matetika milentika ao amin' ny volony. Taloha, nisy mpanoratra nilaza ny fisian' ity karazana sifaka ity mainty manontolo, afa-tsy ny faritra manja matroka eo am-pototry ny rambony. Mirefy 42 hatramin' ny 52 sm ny halavan' ny vatany, 41 hatramin' ny 48 sm ny rambony, ary 5 hatramin' ny 6,5 kg ny lanjany.