Valan-javaboarim-pirenena Andasibe-Mantadia
Ny Valan-javaboarim-pirenena Andasibe-Mantadia dia faritra arovana mirefy 155 km2, any amin' ny 150 km atsinanan' Antananarivo, ahitana ala tsy vaky ao amin' ny Faritra Alaotra-Mangoro any amin' ny tapany atsinanan' i Madagasikara. Ny haavo misy ilay valan-javaboary dia eo anelanelan' ny 800 sy 1 260 m, sady manana toetany mando. Ny salan' ny rotsak' orana isan-taona dia 1 700 mm, ary ny filatsahan' ny orana dia 210 andro isan-taona. Ity ala trôpikaly ity dia toeram-ponenan' ny karazan-javamananaina maro dia maro, ao anatin' izany ny karazam-biby tsy fahita firy sy atahorana ho lany tamingana, anisan' izany ny karazana gidro miisa 11. Ny ampahany roa amin' io valan-javaboary io dia ny Valan-javaboarin' i Mantadia sy ny Tahirin-javaboarin' Analamazoatra, izay malaza amin' ny fisian' ny gidro lehibe eto Madagasikara, dia ny babakoto na endrina (Indri indri).
Tamin' ny taona 2007 no voatendry ho anisan' ny Lova Iraisam-Pirenena an' ny Ala Mando any Atsinanana ilay valam-pirenena. Tsy voafantina ho amin' ny lisitra farany anefa ny ala ao aminy.
Anisan' ny valan-javaboahary mora tsidihina indrindra eto Madagasikara ho an' avy ao Antananarivo, izay lalana mahariera 3 ora raha andehanana fiara miantsinanana amin' ny lalana vita tara, dia ny lalam-pirenena faha-2 (RN2). Na dia akaikin' Analamazaotra sy ny foibem-pitantanana ny vala aza Antsampanana amin' ny RN2 dia tsy maintsy misy ny fitaterana manokana na alaina any amin' ny hôtely eo an-toerana vao tonga any Mantadia. Ny fitsangantsanganana maharitra 1-6 ora dia matetika hita any amin' ny faritra sasany ao amin' ilay valan-javaboary. Ilaina ny mpitari-dalana eo an-toerana ho an' ny mpitsidika miditra amin' ny ampahany amin' ilay valan-javaboary.
Jereo koa
hanovaValan-javaboary
- Valan-javaboarim-pirenena Andasibe-Mantadia • Valan-javaboarim-pirenena Andohahela • Valan-javaboarim-pirenena Andringitra • Valan-javaboarim-pirenena Ankarafantsika • Valan-javaboarim-pirenen' ny Helodranon' i Baly • Valan-javaboarim-pirenena Isalo • Valan-javaboarim-pirenena Kirindy Mitea • Valan-javaboarim-pirenena Mananara-Avaratra • Valan-javaboarim-pirenena Marojejy • Valan-javaboarim-pirenena Masoala • Valan-javaboarim-pirenena Midongy Atsimo • Valan-javaboarim-pirenen' ny Tendrombohitra Ambre • Valan-javaboarim-pirenena Namoroka • Valan-javaboarim-pirenena Nosy Ve-Androka • Valan-javaboarim-pirenena Ranomafana • Valan-javaboarim-pirenena Tsimanampetsotsa • Valan-javaboarim-pirenena Zahamena • Valan-javaboarim-pirenena Zombitse-Vohibasia