Valan-javaboarim-pirenen' ny Helodranon' i Baly

16°00′00″S 45°13′00″E / 16.00000°S 45.216670°E / -16.00000; 45.216670

Sokatra angonoka

Ny Valan-javaboarim-pirenen' ny Helodranon' i Baly dia valan-javaboary any amin' ny tapany avaratra-andrefan' i Madagasikara izay noforonina tamin' ny taona 1997. Mifameno ao ny vondron-jamananaina roa samy hafa: ny an-tanety andaniny sy ny an-dranomasina sy amorontsiraka ankilany. Ny helodranon' i Baly no hany fonenan' ny sokatra tsy manam-paharoa atao hoe angonoka, sokatra tsy miala amin' ny sisin-tanin' i Soalala, antsoina koa hoe Astrochelys yniphora, sokatra tsy fahita firy any amin' ny toeram-ponenany voajanahary, dia ny kirihitra ahitana Perrierbambos madagascariensis, izay tsy misy afa-tsy ao Soalala ihany koa. Ny farihy sy ny heniheny miparitaka etsy sy eroa ao amin' io valan-javaboary io dia miaro ny vorondrano lehibe mpifindra monina izay miaina anaty andiana sy ny sokatra an-dranomamy voasokajy ho "tandindomin-doza" toy ny Erymnochelys madagascariensis. Tamin' ny faramparan' ny volana Septembra 2022 dia may Ilay valan-javaboary ka betsaka ny biby maty tao.

Jeôgrafia

hanova

Any amin' ny Faritra Boeny, 150 km miala an' i Mahajanga no misy ilay valan-javaboary. Ny kaominina manaraka dia i Soalala sy Ambohipaky. Ny sisiny atsimo dia ny renirano Kapiloza.

Ny biby sy ny zavamaniry

hanova

Ny angonoka na Astrochelys yniphora no biby famantarana indrindra ao amin' ny Helodranon' i Baly, satria tsy misy afa-tsy amin' io faritra io.

Jereo koa

hanova