Valan-javaboarim-pirenena Masoala

Ny Valan-javaboarim-pirenena Masoala dia valan-javaboary noforonina tamin' ny taona 1997, any avaratra-atsinanana amin' i Madagasikara, ao amin' ny faritra Sava, faritanin' Antsiranana (Diego-Suarez), eo amin' ny Saikinosy Masoala. Io no faritra arovana lehibe indrindra eto amin' ny Nosy, izay ahitana ala trôpikaly amin' ny vekaran-tany 235 000 ha. Io valan-javaboary io dia noforonina mba hitantanana sy hiarovana ary hamerenana ny vakoka voajanahary malagasy izay iharan' ny tsindry mafy (karazana gidro miisa 15 sy karazam-biby hafa am-polony no nanjavona hatramin' ny nahatongavan' ny olombelona ao). I Masoala dia nitahiry tontolo miavaka, fahatsiarovana farany momba ny Nosy maitso (iray amin' ireo anarana tranainy iantsoana an' i Madagasikara); vakoka amin' ny ala mikitroka anirian' ny zavamaniry tia aloka izay. Izany no mahatonga azy ho isan' ireo toerana tsara indrindra ho an' ny fizahàn-tany ara-tontolo iainana sy ny fizahàn-tany lovain-jafy, ary koa ho an' ny fandalinana ny ala trôpikaly fahiny sy ny tontolo an-dranomasina.

Sarin-tany maneho ny Valan-javaboarim-pirenena Masoala (miloko maitso sy manga)

Io valam-pirenena io dia natsangana mba hiaro sy hamerina ny fananam-pirenena (karazan-gidro dimy ambin'ny folo no efa very eto Madagasikara hatry ny fahatongavan'ny olombelona.

Jeôgrafia

hanova

Ny toerana misy ny Valan-javaboarin' i Masoala dia eo amin' ny Saikinosy Masoala any avaratra-atsinanan' i Madagasikara, ao amin' ny Faritra Sava (Faritanin' Antsiranana).

Fandringanana ny ala

hanova
 
Amorontsirak'i Masoala
 

Ny tsindry amin' ny ala eto Madagasikara dia lehibe, tahaka ny tsindry atao amin' ny ankamaroan' ny ala trôpikaly manerana ny tany. Ny tsindry eo amin' ny alan' i Masoala sy eo amin' ireo miaro azy dia tsy nitsahatra hatrizay ka hatramin' izao. Nihakatra ny tsindry atao amin' ny ala tamin' ny taona 2009, indrindra avy amin' ny mivarotra hazo Dalbergia maritima sy hazo hariboke; tapatapahana eny amin' ny ala voaaro sy avoaka ety ivelany na dia miezaka aza ny lalàla malagasy mikasika ny fiarovana ny ala. Ny fangalarana biby ao amin' ilay vala koa dia olana ihany koa ary tsy ampy fitaovana ny mpiambina ny ala mba hiady amin' ny "mpangalatra hazo" miasa ho an' ny mpivaro-kazo miasa maizina. Araka ny loharano azon' i Fitahirizana Bibin' i Zürich dia olona miisa efatra arivo no nivaro-kazo avy ao Masoala, mihaza sy mivarotra henan-gidro. Hazo aman-jatony no tapaka isan-andro. Manana basy ny mpangalatra hazo ary tsindraindray dia mampitahotra ny mpiambina sy ny mponina miaina manodidinany vala.

Jereo koa

hanova

Valan-javaboary

Rohy ivelany

hanova