Madagascar National Parks
Ny Madagascar National Parks no fikambanana tompon' andraikitra amin' ny fananganana sy fiarovana ary fitantanana maharitra ny valan-javaboary eto Madagasikara. Noforonina tamin' ny taona 1990 ity fikambanana fehezin' ny lalàna ho an' ny tsy miankina ity ary nekena ho ilaina amin' ny fiainam-bahoaka tamin' ny alalan' ny didim-panjakana laharana faha-91-592 tamin' ny 4 Desambra 1991. Tamin' ny taona 2020 ny Madagascar National Parks dia mitantana faritra arovana miisa 43 ahitana toerana Ramsar miisa 5 sy tahiry biôsfera 5 ary lova iraisam-pirenena ho an' ny UNESCO miisa 7.