Ny zavamaniry dia zavamananaina afaka mamoronana akora ôrganika amin' ny fampiasana angovon-kazavana sy ny rano ary ny etona karbônika sy amin' ny fanovana ny akora mineraly. ary ahitana sela manokana (selan-javamaniry) tsy itoviany amin' ny an' ny biby sy ny zavamananaina hafa. Ny fitambaran' izy ireo dia atao amin' ny anarana siantifika hoe Plantae. Ny siansa momba ny zavamaniry dia ny bôtanika, izay mandalina koa ny ahidrano sy ny sianôbakteria (izay tsy anisan' ny Plantae).

Karazana zavamaniry
Sela bitika tamin' ny ravin-ny zavamaniry anaty rano Elodea

Sarotra ny hamaritana ny isan' ny karazan-javamaniry, saingy misy (tamin' ny taona 2015) maherin' ny 400 000 ny karazana voafaritra, ny ankamaroany dia zavamaniry misy voninkazo (karazana 369 000 no voatanisa), satria manodidina ny roa arivo ny karazana vaovao hita isan-taona. Nanomboka tamin’ ny fiandohan’ ny taonjato faha-20 dia karazan-javamaniry telo no manjavona isan-taona, indrindra fa iharan’ ny fandripahana ala. Zavamaniry iray amin' ny dimy no atahorana ho lany tamingana.

Kisary

hanova

Jereo koa

hanova

Loharano sy fanamarihana

hanova