Valan-javaboarim-pirenena Tsimanampetsotsa

Ny Valan-javaboarim-pirenena Tsimanampetsotsa na Tahirin-javaboarin' i Tsimanampetsotsa dia valan-javaboary mirefy 432 km2, noforonina tamin' ny taona 2002, manodidina ny farihy tokana misy sira eto amin' ny firenena, ny farihy masiran' i Tsimanampetsotsa, any amin' ny morontsiraka atsimo-andrefan' i Madagasikara ao amin' ny Faritra Atsimo-Andrefana, ao amin' ny Faritanin' i Toliara. Ity valan-javaboary ity dia 90 km atsimon' i Toliara ary 950 km any atsimon' Antananarivo. Ny lalam-pirenena faha-10 (RN10) mankany Faux Cap (na Betanty) dia mandalo ny valan-javaboary ary ny seranam-piaramanidina akaiky indrindra dia ao Toliara. Eo amin' ny 75 ka hatramin' ny 90 % amin' ny biby sy ny zavamaniry ao aminy dia tsy hita any amin' ny toeran-kafa. Ny Valan-javaboarin' i Tsimanampetsotsa dia anisan' ny faritra Ramsar voalohany eto Madagasikara.

Pachypodium geayi ao amin' ny Valan-javaboarin' i Tsimanampetsotsa

Jereo koa

hanova

Valan-javaboary