I Dniestr dia ony any Eorôpa Atsinanana, ao andrefana amin' i Okraina sy atsinanana amin' i Môldavia, 1 362 km ny halavany. Avy any amin' ny Tandavan-tendrombohitra Karpatiana akaikin' i Drogobych any Okraina izy io, mikoriana mankany atsimo-atsinanana, amin' ny ampahany amin' ny sisintany atsinanan' i Môldavia, ary mivarina any amin' ny Ranomasina Mainty akaikin' i Odessa. Ny vavarano midadasik' ilay renirano dia ahitana sampantsampany maromaro mamorona riakasia be honahona tao hoe Dnestr Liman. Ny sakan' ilay ony dia eo anelanelan' ny 150 sy 230 m. Mirefy 430 m eo ho eo ny sakany lehibe indrindra. Amin' ny ririnina dia mivaingana ny ampahany be amin'ny ranon' i Dniestr mandritra ny 70 andro eo ho eo.

Ny ony Dniestr mandalo ao amin' ny tanànan' i Rîbnița or (na Rybnitsa) ao Transnistria na Môldavia.

Atao hoe Днестр / Dniestr izy amin' ny teny rosiana, Дністер / Dnister amin' ny teny okrainiana, Nistru amin' ny teny romaniana, Tyras amin' ny teny grika ary Tyras na Danastris amin' ny teny latina.

I Dniestr dia manondraka faritra manodidina ny 80 000 km² ary lalana lehibe amin' ny fanondranana voamaina, legioma, voan-tanamasoandro, biby fiompy ary vokatra azo avy amin' izany, ary koa ny hazo fanaovana fanorenana; ireo vokatra rehetra ireo dia avy amin' ny faritanin-dranon' i Dniestr. Ny tanàna lehibe indrindra amin' io renirano io dia i Tiraspol.

Talohan' ny Ady Lehibe II dia anisan' ny sisin-tanin' i Romania sy ny Firaisana Sôvietika ny ony Dniestr. Nandritra ny ady dia nisy fifanandrinana lehibe nitranga teo amoron' ilay renirano, izay nifanaovan' ny mpanani-bohitra Alemàna sy Romaniana an-daniny sy ny Rosiana an-kilany.

Jereo koa hanova