I Kôsôvô na ny Repoblikan' i Kôsôvô (na Kôsôvô sy Metôhia, araka ny anarana nomen’ ny fitondrana serba azy) dia tanim-pirenana manana sata ifanoherana ao Eorôpa Atsimo, ao amin’ ireo Balkàna sy ao amin’ ny faritra nisy an’ i Iogôslavia taloha.

Sainan' i Kôsôvô
I Kôsôvô ao amin' ny faritra misy azy

Amin’ ny teny albaney dia atao hoe Kosova na Kosovë (na Republika e Kosovës) ity firenena ity, amin’ ny teny serba kosa dia Kosovo, Косово (na Republika Kosovo, Република Косово)

Distrika any Kôsôvô

Tamin’ ny 17 Febrary no nanambaràny samirery ny fahaleovan-tenany ka i Pristina no renivohiny. Manohitra ny maha firenena mahaleo tena azy i Serbia izay mihevitra azy ho faritany mizaka tena fotsiny. Tsy mankato toraka izany koa ny Firenena Mikambana sy ny Vondrona Eorôpeana. Tamin’ ny volana Marsa 2020 dia niisa 92 amin’ ireo firenena ao amin’ ny Firenena Mikambana miisa 193 no manaiky ny maha firenena mahaleo tena an’ i Kôsôvô, ny 96 dia mitsipaka ary ny dimy hafa tsy maneho hevitra. Tamin’ ny taona 2016 anefa dia nanaiky ny maha firenena mahaleo tena azy ny Federasiôna Iraisam-Pirenana momba ny Baolina Kitra (frantsay: FIFA) sy ny Komity Iraisam-Pirenana Ôlimpika, ka nahatonga azy ho afaka nandray anjara amin’ ny fiadiana ny Amboara Maneran-Tany sy amin’ ny Lalao Ôlimpika.

Manana fahefana tsy ara-dalàna amin’ ny ampahany be amin’ ny tanin’ i Kôsôvô ny fitondram-panjakana kôsôvara. Ny ao amin’ ny tapany avaratra (Kôsôvô Avaratra) izay mahazo ny 15 %n’ ny taniny dia betsaka kokoa ny Serba monina ao sady fehezin’ ny Serba ao Kôsôvô ka mitaky ny hitoerany ho isan’ i Serbia. Matetika dia resahina ny amin’ ny fifanakalozana tany ao amin’ ny Lohasahan' i Preševo/Preshevë izay ahitana Albaney maro anisa, mba hamahana ny olana. Ity faritra maha maro anisa ny Albaney sady maha vitsy anisa ny Serba ity dia tambany fahefan’ ny fanjakana samihafa teo amin’ ny tantarany.

Nalain’ i Serbia an-keriny tamin’ i Bizantioma (na Bizansa) tamin’ ny taona 1170 ilay faritra avy eo nobodoin’ ny Empira Ôtômana tamin’ ny taona 1459, avy eo lasan’ i Serbia indray nanomboka tamin’ ny Fifanarahana tao Bucarest tamin’ ny taona 1913 izay nanapitra ny Ady Balkanika Faharoa, ary taorian’ ny Ady Lehibe Faharoa dia lasa faritany mizaka tena fehezin' i Serbia nandritra ny tantaran’ i Iogôslavia, alohan’ ny hametrahana azy hotantanan’ ny Firenena Mikambana tamin’ ny 10 Jona 1999 araka ny "Fehin-kevitra 1244 an' ny Firenena Mikambana" izay manaiky ny tsy maha azo anombinana ny tanim-pirenen’ i Serbia, taorian’ ny ady mahatsiravina nifanaovan’ i Serbia sy ny mpisara-bazana albaney sy taorian’ ny fanjerana baomba nataon’ ny OTAN tamin’ ny fiafaran’ ny taompolo 1990.

Nanomboka tamin’ ny nahavitan’ ny fifanaraham-pandriam-pahalemana maromaro tao Koumanovo, izay vita tamin’ ny andro mitovy, dia ny OTAN no nitandro ny fandriam-pahalemana sy ny filaminana tao amin’ io faritra io.

Jereo koa hanova

Firenena ao Eorôpa

Albania - Alemaina - Andôra - Aotrisy - Belzika - Bielôrosia - Bolgaria - Bôsnia-Herzegôvina - Danemarka - Espaina - Estônia - Fanjakana Mitambatra - Finlandy - Frantsa - Grisia (na Gresy) - Hôngria (na Hongaria) - Irlanda - Islandy - Italia - Jeôrjia - Kipra (na Sipra) - Krôasia (na Krôatia) - Letônia - Liktenstaina - Litoania - Loksemborga - Masedônia Avaratra (na Makedônia Avaratra)- Malta - Môldavia - Môntenegrô - Nederlandy - Nôrvezy - Okraina - Pôlônia - Pôrtogaly - Tsekia - Romania - Rosia - San-Marîno - Serbia - Slôvakia - Slôvenia - Soeda - Soisa - Tsekia - Vatikàna.

Ireo firenana ao Eorôpa mbola misy tsy mankato

Abkazia (misy tapany ao Azia) - Karabaga Ambony (misy tapany ao Azia) - Kipra  Avaratra (na Sipra Avaratra) - Kôsôvô - Ôsetia Atsimo - Transnistria