Saoly
Sary:Saul and David by Rembrandt Mauritshuis 621.jpg, Saul Rejected as King (Bible Card).jpg
Ankapobeny
Anarana Saoly
Teraka 1079 tal. J.K.
Maty 1010 tal. J.K.
Fiaviana sy ny andraikitra
Asa :
Fiainana manokana

I Saoly na Saola dia mpanjakan' i Israely teraka tamin' ny taona 1079 tal.J.K. ary maty tamin' ny taona 1010 tal. J.K. Araka ny Testamenta Taloha dia mpajakan' i Israely voalohany i Saoly teo anelanelan' ny taona 1020 sy 1010 tal. J.K. Ao amin' ny Boky voalohan' i Samoela (1Sam. 8-15) ny tantarany. I Kisy avy ao amin' ny fokon' i Benjamina ny rain' i Saoly. Ny vadiny dia i Ahinôama. Ny zanany dia i Jônatana sy i Mikala sy i Isbôseta ary i Abinadaba.

Ny tantarany hanova

 
I Davida sy i Saoly

Tamin' i Saoly na Saola nitady ny ondriny very no nifanena tamin' ny mpaminany Samoela. Ny mpaminany Samoela no nanosotra azy ho mpanjaka raha natao ny antsapaka (1Sam. 9-10). Iray volana taorian' izany dia nanafika ny Israelita tao Jabesa tao amin' ny tanin' i Gileada (na Galaada) ny Amônita. Nanagona ny fokon' i Israely i Saoly mba hanavotany ireo Israelita ireo ka nandreseny ny Amônita. Tamin' izay no nanambaràna azy ho mpanjakan' ny Israelita (1Sam. 11.15).

Nanao fanafihana mitohy an' ireo fahavalon' ny Israelita i Saoly, indrindra an' ireo Filistina. Mpiady mahay i Saoly ka maro ny fandresena azony, isan' izany ny tao Mikmasy (1Sam. 13.16-23; 14.1-23). Tsy nanaraka ny didin' Andriamanitra izay nitaky ny hamonoana ny Amalekita (na Amalesita) sy ny fananany anefa i Saoly ka tsy nanatanteraka izany famonoana ny biby fiompy matavy. Nahatezitra an' Andriamanitra izany (1Sam. 15.1-10). Nanalavitra an' i Saoly ny mpaminany Samoela ka nanosotra an' i Davida ho mpanjaka, izay mbola tanora dia tanora sady mpiandry ondry tao Betlehema.

Lasa nalaza i Davida rehefa avy nandresy an' ilay Filistina goavambe tao hoe Gôliata, ka velom-pialonana tsy nitsaha-nitombo noho izany i Saoly. Hitan' i Saoly fa hisakana ny fandovan' ny lahimatoany atao hoe Jônatana ny fanjakana izany lazan' i Davida izany ka nikendry matetika ny hahafaty an' i Davida izy. Nampanambadiny ny zanany vavy i Davida nefa ho takalon' izany dia tsy maintsy niady tamin' ny Filistina zato i Davida (1Sam. 18.20-27). Nandresy i Davida ka lasa vinantolahin' i Saoly nefa nikendry ny hahafaty azy ihany ny rafozany.

 
Ny nahafatesan'i Saoly sy Jonatana, sary nataon'i Francesco Salviati, taonjato faha-16.

Tamin' ny fiafaran' ny fiainan' i Saoly dia niady tamin' ny Filistina teo amin' ny tendrombohitra Gelbôa (na Gelbôe) izy. Tamin' izany ady izany no nahafaty an' i Saoly sy ny zanany telo lahy. Nanaiky ny maha mpanjaka ny zanak' i Saoly fahefatra, dia i Isbaala (na Isbôseta) aloha ny ankamaroan' ny fokon' i Israely mandritra ny fotoana fohy, avy eo nanao an' i Davida ho mpanjakan' i Israely, araka ny Boky faharoan' i Samoela (2Sam. 2-4).

Jereo koa hanova

Mpanjakan' i Israely

Saoly - Isbôseta - Davida - Sôlômôna (na Salômôna) - Jerôbôama I - Nadaba - Baasa (na Basa) - Ela - Zimry - Ômry - Ahaba (na Akaba) - Ahazia (na Ôkôziasa) - Jôrama - Jeho - Jôahaza (na Jôakaza) - Jôasy (na Jôasa) - Jerôbôama II - Zakaria - Saloma - Menahema - Pekahia (na Faseia) - Peka (na Fasea) - Hôsea (na Ôsea).

Mpanjakan' i Jodà

Saoly - Isbôseta - Davida - Sôlômôna (na Salômôna) - Rehôbôama (na Rôbôama) - Abiama (na Abia) - Asa - Jôsafata - Jehôrama (na Jôrama) - Ahazia (na Ôkôziasa) - Atalia - Jôasy (na Jôasa) - Amazia (na Amaziasa) - Ozia (na Oziasa na Azaria na Azariasa) - Jôtama - Ahaza (na Akaza) - Hezekia (na Ezekiasa) - Manase - Amôna - Jôsia (na Jôsiasa) - Jôahaza (na Jôakaza) - Jôiakima (na Jôakima) - Jôiakina (na Jôasina na Jekônia na Jekôniasa) - Zedekia (na Sedekiasa).

Rohy ivelany hanova

  • Ao amin'i Freebase: [1]
 
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.