I Amazia na Amaziasa dia mpanjakan' i Jodà nandimby an' i Jôasy (na Jôasa) rainy ary zanak' ity mpanjaka ity tamin' i Jôadana. Nanapaka an' i Jodà nandritra ny 29 taona izy tamin' ny fiantombohan' ny taonjato faha-8 tal. J.K.

Ny anarany hanova

Atao hoe אֲמַצְיָהוּ /ʾAmaʦyāhû ny anarany amin' ny teny hebreo fa ᾿Αμεσσίας / Amessias na ᾿Αμασίας / Amasias amin' ny teny grika ary Amasias amin' ny teny latina. Io anarana hebreo אֲמַצְיָהוּ io dia midika hoe "ny herin' i Iahveh" na "ampaharezin' i Iahveh" na "mahery i Iahveh".

Jereo koa hanova

Mpanjakan' i Jodà

Saoly - Isbôseta - Davida - Sôlômôna (na Salômôna) - Rehôbôama (na Rôbôama) - Abiama (na Abia) - Asa - Jôsafata - Jehôrama (na Jôrama) - Ahazia (na Ôkôziasa) - Atalia - Jôasy (na Jôasa) - Amazia (na Amaziasa) - Ozia (na Oziasa na Azaria na Azariasa) - Jôtama - Ahaza (na Akaza) - Hezekia (na Ezekiasa) - Manase - Amôna - Jôsia (na Jôsiasa) - Jôahaza (na Jôakaza) -Jôiakima (na Jôakima) - Jôiakina (na Jôasina na Jekônia na Jekôniasa) - Zedekia (na Sedekiasa).