Ahazia (mpanjakan' i Jodà)

I Ahazia na Ôkôziasa dia iray amin' ireo mpanjakan' i Jodà, zanak' i Jôrama sy i Atalia, araka ny Baiboly. Nanjaka nandritra ny iray taona izy tamin' ny taonjato faha-9 tal. J.K. Ny Baiboly dia milaza azy ho mpanjaka tsy tia vavaka. Tsy afangaro amin' i Ahazia na Ôkôziasa mpanjakan'i Israely izy.

Ny anarany hanova

Amin' ny teny hebreo dia atao hoe אֲחַזְיָהוּ /ʾĂḥazyāhû izy, fa amin' ny teny grika kosa dia ᾿Οχοζίας / Ochozias, ary amin' ny teny latina dia Ahazias.

Ao amin' ny lahatsoratra hebreo sy ao amin' ny Volgata dia atao hoe Ahazia ny zanak' i Jôrama nandimby azy teo amin' ny fitondrana. Atao hoe Jôahaza na Jôakaza izy ao amin' ny Boky faharoan' ny Tantara (2Tant. 21.17 sy 2Tant. 25.23), anarana izay azo avy amin' ny fampifamadihana ny singa mitambatra ao amin' ny anarany, dia ny hoe aḥz sy ny hoe yāhû na yĕhô, izay manome ny anarana hoe יְהוֹאָחָז / Yĕhôʾāḥāz (Jôahaza) sady misolo ny hoe אֲחַזְיָהוּ /ʾăḥazyāhû (Ahazia).

Ny anarana nosimbana endrika hoe Azaria (hebreo: עֲזַרְיָהוּ /ʿĂzaryāhû dia hita koa ao amin' ny Boky faharoan' ny Tantara (2Tant. 22.64). Ao amin' ny Septoajinta dia atao hoe ᾿Οχοζίας / Ochozias izy, afa-tsy ao amin' ny 2Tant. 25.23 izay iantsoana azy hoe ᾿Ιωάχαζ / Iôachaz (Jôahaza na Jôakaza) sahala amin' ny dikan-teny hebreo.

Ny dikan-teny amin' ny fiteny isam-paritra na isam-pirenena dia indraidray manakaiky ny fanononana hebreo fa indraindray koa manakaiky ny fanononana grika.

Jereo koa hanova

Mpanjakan' i Jodà

Saoly - Isbôseta - Davida - Sôlômôna (na Salômôna) - Rehôbôama (na Rôbôama) - Abiama (na Abia) - Asa - Jôsafata - Jehôrama (na Jôrama) - Ahazia (na Ôkôziasa) - Atalia - Jôasy (na Jôasa) - Amazia (na Amaziasa) - Ozia (na Oziasa na Azaria na Azariasa) - Jôtama - Ahaza (na Akaza) - Hezekia (na Ezekiasa) - Manase - Amôna - Jôsia (na Jôsiasa) - Jôahaza (na Jôakaza) -Jôiakima (na Jôakima) - Jôiakina (na Jôasina na Jekônia na Jekôniasa) - Zedekia (na Sedekiasa).