Manase
I Manase dia mpanjakan' i Jodà izay nitondra tamin' ny taona 687 hatramin' ny taona 642 tal. J.K.

Ny anarany Hanova
Amin' ny fiteny hebreo dia soratana hoe מְנַשֶּׁה / Menasheh, amin' ny fiteny grika dia Μανασσῆς / Manassês na Manassís ary amin' ny fiteny latina dia Manasses.
Ny tantarany Hanova
Araka ny Baiboly Hanova
Resahina ao amin' ny Testamenta Taloha ao amin' ny Baiboly izy sady voalaza ao fa nitondra tena tahaka ny adala araka ny Boky faharoan' ny Mpanjaka (2Mpanj. 21.1-18). Lasa babo izy dia nentina tany Babilôna ka tany izy no nibebaka sy nitalaho tamin' Andriamanitra mba havela heloka. Taorian' izany dia tafaverina teo amin' ny fanjakana indray izy araka ny Boky faharoan' ny Tantara (2Tant. 33.11-13 sy 18-19).
Boky amin' ny anarany Hanova
Misy boky apôkrifa na pseodepigrafan' ny Baiboly izay mitondra ny anarany, dia ny Vavak' i Manase, izay mirakitra ny vavaka sy ny fiaiken-keloka nataon'ilay mpanjaka nandritra ny figadrany tany Babilôna.
Jereo koa Hanova
Mpanjakan' i Jodà
Saoly - Isbôseta - Davida - Sôlômôna (na Salômôna) - Rehôbôama (na Rôbôama) - Abiama (na Abia) - Asa - Jôsafata - Jehôrama (na Jôrama) - Ahazia (na Ôkôziasa) - Atalia - Jôasy (na Jôasa) - Amazia (na Amaziasa) - Ozia (na Oziasa na Azaria na Azariasa) - Jôtama - Ahaza (na Akaza) - Hezekia (na Ezekiasa) - Manase - Amôna - Jôsia (na Jôsiasa) - Jôahaza (na Jôakaza) - Jôiakima (na Jôakima) - Jôiakina (na Jôasina na Jekônia na Jekôniasa) - Zedekia (na Sedekiasa).